잠언 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 27절
- 1 Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
- 2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
- 3 Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny.
- 4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
- 5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
- 6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
- 7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
- 8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
- 9 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
- 10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
- 11 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.
- 12 Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
- 13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
- 14 Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy.
- 15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
- 16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
- 17 Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna.
- 18 Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
- 19 Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
- 20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
- 21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
- 22 Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra.
- 23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
- 24 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
- 25 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
- 26 Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
- 27 Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗