잠언 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절
- 1 Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
- 2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
- 3 Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,
- 4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
- 5 Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;
- 6 Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
- 7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
- 8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
- 9 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
- 10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
- 11 Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;
- 12 Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
- 13 Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
- 14 Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
- 15 Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
- 16 Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
- 17 Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
- 18 Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
- 19 Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
- 20 Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona.
- 21 Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
- 22 Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
- 23 Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
- 24 Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
- 25 Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
- 26 Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
- 27 Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany;
- 28 Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
- 29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
- 30 Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
- 31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
- 32 Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany.
- 33 Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa.
- 34 Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
- 35 Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗