잠언 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko, | My son, if thou wilt receive my words, and hide my commandments with thee; |
| 2 | Ka atongilanao amin’ ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; | So that thou incline thine ear unto wisdom, and apply thine heart to understanding; |
| 3 | Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina, | Yea, if thou criest after knowledge, and liftest up thy voice for understanding; |
| 4 | Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: | If thou seekest her as silver, and searchest for her as for hid treasures; |
| 5 | Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra. | Then shalt thou understand the fear of the Lord, and find the knowledge of God. |
| 6 | Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina. | For the Lord giveth wisdom: out of his mouth cometh knowledge and understanding. |
| 7 | Izy mitahiry fanambinanaho an’ ny mahitsy Sady ampingan’ izay mandeha tsy misy tsiny; | He layeth up sound wisdom for the righteous: he is a buckler to them that walk uprightly. |
| 8 | Ka dia mitandrina ny lalan’ ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan’ ny olony masìna. | He keepeth the paths of judgment, and preserveth the way of his saints. |
| 9 | Ary amin’ izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra. | Then shalt thou understand righteousness, and judgment, and equity; yea, every good path. |
| 10 | Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin’ ny fanahinao ny fahalalana, | When wisdom entereth into thine heart, and knowledge is pleasant unto thy soul; |
| 11 | Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana, | Discretion shall preserve thee, understanding shall keep thee: |
| 12 | Ka hamonjy anao amin’ ny lalan-dratsy Sy amin’ ny lehilahy izay miteny fitaka, | To deliver thee from the way of the evil man, from the man that speaketh froward things; |
| 13 | Izay mahafoy ny lalan’ ny fahamarinana Mba hizorany amin’ ny lalan’ ny fahamaizinana, | Who leave the paths of uprightness, to walk in the ways of darkness; |
| 14 | Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin’ ny fitaky ny ratsy, | Who rejoice to do evil, and delight in the frowardness of the wicked; |
| 15 | Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin’ ny alehany; | Whose ways are crooked, and they froward in their paths: |
| 16 | Ary hamonjy anao amin’ ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin’ ny vahiny janga izay mandrobo amin’ ny teniny, | To deliver thee from the strange woman, even from the stranger which flattereth with her words; |
| 17 | Izay mahafoy ny vadin’ ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin’ Andriamaniny. | Which forsaketh the guide of her youth, and forgetteth the covenant of her God. |
| 18 | Fa ny tranony milentika ho amin’ ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ ny maty. | For her house inclineth unto death, and her paths unto the dead. |
| 19 | Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin’ ny lalan’ aina, | None that go unto her return again, neither take they hold of the paths of life. |
| 20 | Handehananao amin’ ny lalan’ ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan’ ny marina. | That thou mayest walk in the way of good men, and keep the paths of the righteous. |
| 21 | Fa ny olona mahitsy no honina amin’ ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; | For the upright shall dwell in the land, and the perfect shall remain in it. |
| 22 | Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ ny tany, Ary ny mpivadika hongotana. | But the wicked shall be cut off from the earth, and the transgressors shall be rooted out of it. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL