잠언 31장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy. | The words of king Lemuel, the prophecy that his mother taught him. |
| 2 | Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko? | What, my son? and what, the son of my womb? and what, the son of my vows? |
| 3 | Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka. | Give not thy strength unto women, nor thy ways to that which destroyeth kings. |
| 4 | Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; | It is not for kings, O Lemuel, it is not for kings to drink wine; nor for princes strong drink: |
| 5 | Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. | Lest they drink, and forget the law, and pervert the judgment of any of the afflicted. |
| 6 | Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy; | Give strong drink unto him that is ready to perish, and wine unto those that be of heavy hearts. |
| 7 | Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony. | Let him drink, and forget his poverty, and remember his misery no more. |
| 8 | Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny; | Open thy mouth for the dumb in the cause of all such as are appointed to destruction. |
| 9 | Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. | Open thy mouth, judge righteously, and plead the cause of the poor and needy. |
| 10 | Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. | Who can find a virtuous woman? for her price is far above rubies. |
| 11 | Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. | The heart of her husband doth safely trust in her, so that he shall have no need of spoil. |
| 12 | Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany. | She will do him good and not evil all the days of her life. |
| 13 | Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany. | She seeketh wool, and flax, and worketh willingly with her hands. |
| 14 | Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny. | She is like the merchants’ ships; she bringeth her food from afar. |
| 15 | Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny. | She riseth also while it is yet night, and giveth meat to her household, and a portion to her maidens. |
| 16 | Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka. | She considereth a field, and buyeth it: with the fruit of her hands she planteth a vineyard. |
| 17 | Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. | She girdeth her loins with strength, and strengtheneth her arms. |
| 18 | Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. | She perceiveth that her merchandise is good: her candle goeth not out by night. |
| 19 | Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. | She layeth her hands to the spindle, and her hands hold the distaff. |
| 20 | Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra. | She stretcheth out her hand to the poor; yea, she reacheth forth her hands to the needy. |
| 21 | Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa. | She is not afraid of the snow for her household: for all her household are clothed with scarlet. |
| 22 | Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. | She maketh herself coverings of tapestry; her clothing is silk and purple. |
| 23 | Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona. | Her husband is known in the gates, when he sitteth among the elders of the land. |
| 24 | Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto. | She maketh fine linen, and selleth it; and delivereth girdles unto the merchant. |
| 25 | Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany. | Strength and honour are her clothing; and she shall rejoice in time to come. |
| 26 | Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany. | She openeth her mouth with wisdom; and in her tongue is the law of kindness. |
| 27 | Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana. | She looketh well to the ways of her household, and eateth not the bread of idleness. |
| 28 | Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: | Her children arise up, and call her blessed; her husband also, and he praiseth her. |
| 29 | Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra. | Many daughters have done virtuously, but thou excellest them all. |
| 30 | Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina. | Favour is deceitful, and beauty is vain: but a woman that feareth the Lord, she shall be praised. |
| 31 | Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady. | Give her of the fruit of her hands; and let her own works praise her in the gates. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL