전도서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny tenin’ i Mpitoriteny, zanak’ i Davida, mpanjaka tany Jerosalema. | The words of the Preacher, the son of David, king in Jerusalem. |
| 2 | Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! | Vanity of vanities, saith the Preacher, vanity of vanities; all is vanity. |
| 3 | Inona no soa azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ ny masoandro? | What profit hath a man of all his labour which he taketh under the sun? |
| 4 | Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay. | One generation passeth away, and another generation cometh: but the earth abideth for ever. |
| 5 | Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin’ ny fitoerana izay niposahany. | The sun also ariseth, and the sun goeth down, and hasteth to his place where he arose. |
| 6 | Mianatsimo ny rivotra, dia mihodìna mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray. | The wind goeth toward the south, and turneth about unto the north; it whirleth about continually, and the wind returneth again according to his circuits. |
| 7 | Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’ izay falehan’ ny renirano ihany no iverenany indray. | All the rivers run into the sea; yet the sea is not full; unto the place from whence the rivers come, thither they return again. |
| 8 | Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino. | All things are full of labour; man cannot utter it: the eye is not satisfied with seeing, nor the ear filled with hearing. |
| 9 | Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ ny masoandro. | The thing that hath been, it is that which shall be; and that which is done is that which shall be done: and there is no new thing under the sun. |
| 10 | Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ ny andro talohantsika ihany izany. | Is there any thing whereof it may be said, See, this is new? it hath been already of old time, which was before us. |
| 11 | Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’ izay handimby azy. | There is no remembrance of former things; neither shall there be any remembrance of things that are to come with those that shall come after. |
| 12 | Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ ny Isiraely tany Jerosalema; | I the Preacher was king over Israel in Jerusalem. |
| 13 | ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny lanitra; asa mahareraka omen’ Andriamanitra hisasaran’ ny zanak’ olombelona izany. | And I gave my heart to seek and search out by wisdom concerning all things that are done under heaven: this sore travail hath God given to the sons of man to be exercised therewith. |
| 14 | Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany. | I have seen all the works that are done under the sun; and, behold, all is vanity and vexation of spirit. |
| 15 | Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina. | That which is crooked cannot be made straight: and that which is wanting cannot be numbered. |
| 16 | Hoy izaho tamin’ ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka. | I communed with mine own heart, saying, Lo, I am come to great estate, and have gotten more wisdom than all they that have been before me in Jerusalem: yea, my heart had great experience of wisdom and knowledge. |
| 17 | Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany, | And I gave my heart to know wisdom, and to know madness and folly: I perceived that this also is vexation of spirit. |
| 18 | satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana. | For in much wisdom is much grief: and he that increaseth knowledge increaseth sorrow. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL