잠언 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny teny mavesa-danja nataon’ i Agora, zanak’ i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’ Itiela, eny, tamin’ Itiela sy Okala: | The words of Agur the son of Jakeh, even the prophecy: the man spake unto Ithiel, even unto Ithiel and Ucal, |
| 2 | Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho. | Surely I am more brutish than any man, and have not the understanding of a man. |
| 3 | Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masìna. | I neither learned wisdom, nor have the knowledge of the holy. |
| 4 | Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao! | Who hath ascended up into heaven, or descended? who hath gathered the wind in his fists? who hath bound the waters in a garment? who hath established all the ends of the earth? what is his name, and what is his son’s name, if thou canst tell? |
| 5 | Ny tenin’ Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’ izay mialoka aminy Izy. | Every word of God is pure: he is a shield unto them that put their trust in him. |
| 6 | Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga. | Add thou not unto his words, lest he reprove thee, and thou be found a liar. |
| 7 | Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho: | Two things have I required of thee; deny me them not before I die: |
| 8 | Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’ izay anjara-hanina sahaza ho ahy; | Remove far from me vanity and lies: give me neither poverty nor riches; feed me with food convenient for me: |
| 9 | Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro. | Lest I be full, and deny thee, and say, Who is the Lord? or lest I be poor, and steal, and take the name of my God in vain. |
| 10 | Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka. | Accuse not a servant unto his master, lest he curse thee, and thou be found guilty. |
| 11 | Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny. | There is a generation that curseth their father, and doth not bless their mother. |
| 12 | Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany. | There is a generation that are pure in their own eyes, and yet is not washed from their filthiness. |
| 13 | Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony! | There is a generation, O how lofty are their eyes! and their eyelids are lifted up. |
| 14 | Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona. | There is a generation, whose teeth are as swords, and their jaw teeth as knives, to devour the poor from off the earth, and the needy from among men. |
| 15 | Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay: | The horseleach hath two daughters, crying, Give, give. There are three things that are never satisfied, yea, four things say not, It is enough: |
| 16 | Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay. | The grave; and the barren womb; the earth that is not filled with water; and the fire that saith not, It is enough. |
| 17 | Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery. | The eye that mocketh at his father, and despiseth to obey his mother, the ravens of the valley shall pick it out, and the young eagles shall eat it. |
| 18 | Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro: | There be three things which are too wonderful for me, yea, four which I know not: |
| 19 | Ny nalehan’ ny voromahery teny amin’ ny habakabaka, Ny nalehan’ ny bibilava teny amin’ ny vatolampy, Ny nalehan’ ny sambo teny amin’ ny ranomasina, Ary ny nalehan’ ny lehilahy tamin’ ny tovovavy. | The way of an eagle in the air; the way of a serpent upon a rock; the way of a ship in the midst of the sea; and the way of a man with a maid. |
| 20 | Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho. | Such is the way of an adulterous woman; she eateth, and wipeth her mouth, and saith, I have done no wickedness. |
| 21 | Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany; | For three things the earth is disquieted, and for four which it cannot bear: |
| 22 | Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina, | For a servant when he reigneth; and a fool when he is filled with meat; |
| 23 | Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny. | For an odious woman when she is married; and an handmaid that is heir to her mistress. |
| 24 | Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay: | There be four things which are little upon the earth, but they are exceeding wise: |
| 25 | Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ ny fahavaratra izy; | The ants are a people not strong, yet they prepare their meat in the summer; |
| 26 | Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy; | The conies are but a feeble folk, yet make they their houses in the rocks; |
| 27 | Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara; | The locusts have no king, yet go they forth all of them by bands; |
| 28 | Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy. | The spider taketh hold with her hands, and is in kings’ palaces. |
| 29 | Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha; | There be three things which go well, yea, four are comely in going: |
| 30 | Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona, | A lion which is strongest among beasts, and turneth not away for any; |
| 31 | Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina. | A greyhound; an he goat also; and a king, against whom there is no rising up. |
| 32 | Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao. | If thou hast done foolishly in lifting up thyself, or if thou hast thought evil, lay thine hand upon thy mouth. |
| 33 | Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady. | Surely the churning of milk bringeth forth butter, and the wringing of the nose bringeth forth blood: so the forcing of wrath bringeth forth strife. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL