잠언 31장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 31절
- 1 Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
- 2 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
- 3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.
- 4 Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
- 5 Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
- 6 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;
- 7 Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
- 8 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;
- 9 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
- 10 Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
- 11 Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
- 12 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany.
- 13 Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany.
- 14 Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.
- 15 Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny.
- 16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
- 17 Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
- 18 Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
- 19 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
- 20 Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra.
- 21 Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.
- 22 Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
- 23 Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona.
- 24 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto.
- 25 Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
- 26 Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany.
- 27 Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana.
- 28 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
- 29 Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.
- 30 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina.
- 31 Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗