잠언 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 33절
- 1 Ny teny mavesa-danja nataon’ i Agora, zanak’ i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’ Itiela, eny, tamin’ Itiela sy Okala:
- 2 Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho.
- 3 Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masìna.
- 4 Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao!
- 5 Ny tenin’ Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’ izay mialoka aminy Izy.
- 6 Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
- 7 Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
- 8 Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’ izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
- 9 Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.
- 10 Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
- 11 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
- 12 Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany.
- 13 Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
- 14 Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona.
- 15 Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
- 16 Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.
- 17 Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery.
- 18 Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
- 19 Ny nalehan’ ny voromahery teny amin’ ny habakabaka, Ny nalehan’ ny bibilava teny amin’ ny vatolampy, Ny nalehan’ ny sambo teny amin’ ny ranomasina, Ary ny nalehan’ ny lehilahy tamin’ ny tovovavy.
- 20 Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
- 21 Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
- 22 Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
- 23 Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.
- 24 Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay:
- 25 Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ ny fahavaratra izy;
- 26 Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy;
- 27 Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
- 28 Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy.
- 29 Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
- 30 Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona,
- 31 Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.
- 32 Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
- 33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗