잠언 29장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 27절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana. | He, that being often reproved hardeneth his neck, shall suddenly be destroyed, and that without remedy. |
| 2 | Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy. | When the righteous are in authority, the people rejoice: but when the wicked beareth rule, the people mourn. |
| 3 | Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ ny vehivavy janga dia mandany harena. | Whoso loveth wisdom rejoiceth his father: but he that keepeth company with harlots spendeth his substance. |
| 4 | Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa. | The king by judgment establisheth the land: but he that receiveth gifts overthroweth it. |
| 5 | Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony. | A man that flattereth his neighbour spreadeth a net for his feet. |
| 6 | Misy fandrika amin’ ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly. | In the transgression of an evil man there is a snare: but the righteous doth sing and rejoice. |
| 7 | Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena. | The righteous considereth the cause of the poor: but the wicked regardeth not to know it. |
| 8 | Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana. | Scornful men bring a city into a snare: but wise men turn away wrath. |
| 9 | Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana. | If a wise man contendeth with a foolish man, whether he rage or laugh, there is no rest. |
| 10 | Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy. | The bloodthirsty hate the upright: but the just seek his soul. |
| 11 | Ny fahatezeran’ ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo. | A fool uttereth all his mind: but a wise man keepeth it in till afterwards. |
| 12 | Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra. | If a ruler hearken to lies, all his servants are wicked. |
| 13 | Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason’ izy roa tonta. | The poor and the deceitful man meet together: the Lord lighteneth both their eyes. |
| 14 | Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany. | The king that faithfully judgeth the poor, his throne shall be established for ever. |
| 15 | Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny. | The rod and reproof give wisdom: but a child left to himself bringeth his mother to shame. |
| 16 | Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany. | When the wicked are multiplied, transgression increaseth: but the righteous shall see their fall. |
| 17 | Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao. | Correct thy son, and he shall give thee rest; yea, he shall give delight unto thy soul. |
| 18 | Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra. | Where there is no vision, the people perish: but he that keepeth the law, happy is he. |
| 19 | Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny. | A servant will not be corrected by words: for though he understand he will not answer. |
| 20 | Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy. | Seest thou a man that is hasty in his words? there is more hope of a fool than of him. |
| 21 | Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany. | He that delicately bringeth up his servant from a child shall have him become his son at the length. |
| 22 | Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana. | An angry man stirreth up strife, and a furious man aboundeth in transgression. |
| 23 | Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena. | A man’s pride shall bring him low: but honour shall uphold the humble in spirit. |
| 24 | Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza. | Whoso is partner with a thief hateth his own soul: he heareth cursing, and bewrayeth it not. |
| 25 | Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena. | The fear of man bringeth a snare: but whoso putteth his trust in the Lord shall be safe. |
| 26 | Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona. | Many seek the ruler’s favour; but every man’s judgment cometh from the Lord. |
| 27 | Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa. | An unjust man is an abomination to the just: and he that is upright in the way is abomination to the wicked. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL