잠언 28장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora. | The wicked flee when no man pursueth: but the righteous are bold as a lion. |
| 2 | Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana. | For the transgression of a land many are the princes thereof: but by a man of understanding and knowledge the state thereof shall be prolonged. |
| 3 | Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina. | A poor man that oppresseth the poor is like a sweeping rain which leaveth no food. |
| 4 | Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy. | They that forsake the law praise the wicked: but such as keep the law contend with them. |
| 5 | Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra. | Evil men understand not judgment: but they that seek the Lord understand all things. |
| 6 | Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika. | Better is the poor that walketh in his uprightness, than he that is perverse in his ways, though he be rich. |
| 7 | Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy. | Whoso keepeth the law is a wise son: but he that is a companion of riotous men shameth his father. |
| 8 | Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo | He that by usury and unjust gain increaseth his substance, he shall gather it for him that will pity the poor. |
| 9 | Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana. | He that turneth away his ear from hearing the law, even his prayer shall be abomination. |
| 10 | Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa. | Whoso causeth the righteous to go astray in an evil way, he shall fall himself into his own pit: but the upright shall have good things in possession. |
| 11 | Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy. | The rich man is wise in his own conceit; but the poor that hath understanding searcheth him out. |
| 12 | Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka. | When righteous men do rejoice, there is great glory: but when the wicked rise, a man is hidden. |
| 13 | Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. | He that covereth his sins shall not prosper: but whoso confesseth and forsaketh them shall have mercy. |
| 14 | Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza. | Happy is the man that feareth alway: but he that hardeneth his heart shall fall into mischief. |
| 15 | Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka. | As a roaring lion, and a ranging bear; so is a wicked ruler over the poor people. |
| 16 | Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona. | The prince that wanteth understanding is also a great oppressor: but he that hateth covetousness shall prolong his days. |
| 17 | Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy. | A man that doeth violence to the blood of any person shall flee to the pit; let no man stay him. |
| 18 | Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka. | Whoso walketh uprightly shall be saved: but he that is perverse in his ways shall fall at once. |
| 19 | Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa. | He that tilleth his land shall have plenty of bread: but he that followeth after vain persons shall have poverty enough. |
| 20 | Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina. | A faithful man shall abound with blessings: but he that maketh haste to be rich shall not be innocent. |
| 21 | Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana. | To have respect of persons is not good: for for a piece of bread that man will transgress. |
| 22 | Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo. | He that hasteth to be rich hath an evil eye, and considereth not that poverty shall come upon him. |
| 23 | Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany. | He that rebuketh a man afterwards shall find more favour than he that flattereth with the tongue. |
| 24 | Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba. | Whoso robbeth his father or his mother, and saith, It is no transgression; the same is the companion of a destroyer. |
| 25 | Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina. | He that is of a proud heart stirreth up strife: but he that putteth his trust in the Lord shall be made fat. |
| 26 | Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala. | He that trusteth in his own heart is a fool: but whoso walketh wisely, he shall be delivered. |
| 27 | Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be; | He that giveth unto the poor shall not lack: but he that hideth his eyes shall have many a curse. |
| 28 | Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina. | When the wicked rise, men hide themselves: but when they perish, the righteous increase. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL