잠언 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 27절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao. | Boast not thyself of to morrow; for thou knowest not what a day may bring forth. |
| 2 | Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao. | Let another man praise thee, and not thine own mouth; a stranger, and not thine own lips. |
| 3 | Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta. | A stone is heavy, and the sand weighty; but a fool’s wrath is heavier than them both. |
| 4 | Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro? | Wrath is cruel, and anger is outrageous; but who is able to stand before envy? |
| 5 | Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina. | Open rebuke is better than secret love. |
| 6 | Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo. | Faithful are the wounds of a friend; but the kisses of an enemy are deceitful. |
| 7 | Hitsakitsahin’ ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza. | The full soul loatheth an honeycomb; but to the hungry soul every bitter thing is sweet. |
| 8 | Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany. | As a bird that wandereth from her nest, so is a man that wandereth from his place. |
| 9 | Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ ny sakaiza dia avy amin’ ny ana-panahy ataony. | Ointment and perfume rejoice the heart: so doth the sweetness of a man’s friend by hearty counsel. |
| 10 | Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra. | Thine own friend, and thy father’s friend, forsake not; neither go into thy brother’s house in the day of thy calamity: for better is a neighbour that is near than a brother far off. |
| 11 | Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy. | My son, be wise, and make my heart glad, that I may answer him that reproacheth me. |
| 12 | Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. | A prudent man foreseeth the evil, and hideth himself; but the simple pass on, and are punished. |
| 13 | Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny janga niantohany izy. | Take his garment that is surety for a stranger, and take a pledge of him for a strange woman. |
| 14 | Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany. | He that blesseth his friend with a loud voice, rising early in the morning, it shall be counted a curse to him. |
| 15 | Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady. | A continual dropping in a very rainy day and a contentious woman are alike. |
| 16 | Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana. | Whosoever hideth her hideth the wind, and the ointment of his right hand, which bewrayeth itself. |
| 17 | Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany. | Iron sharpeneth iron; so a man sharpeneth the countenance of his friend. |
| 18 | Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra. | Whoso keepeth the fig tree shall eat the fruit thereof: so he that waiteth on his master shall be honoured. |
| 19 | Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ ny fon’ ny olona amin’ ny an’ olona. | As in water face answereth to face, so the heart of man to man. |
| 20 | Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona. | Hell and destruction are never full; so the eyes of man are never satisfied. |
| 21 | Ny memy ho an’ ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy. | As the fining pot for silver, and the furnace for gold; so is a man to his praise. |
| 22 | Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany. | Though thou shouldest bray a fool in a mortar among wheat with a pestle, yet will not his foolishness depart from him. |
| 23 | Fantaro tsara ny tarehin’ ny ondry aman’ osinao, Ary miahia tsara ny andian’ ny bibinao; | Be thou diligent to know the state of thy flocks, and look well to thy herds. |
| 24 | Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra? | For riches are not for ever: and doth the crown endure to every generation? |
| 25 | Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra, | The hay appeareth, and the tender grass sheweth itself, and herbs of the mountains are gathered. |
| 26 | Ny zanak’ ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany; | The lambs are for thy clothing, and the goats are the price of the field. |
| 27 | Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’ osy Sy ho an’ ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ ny ankizivavinao. | And thou shalt have goats’ milk enough for thy food, for the food of thy household, and for the maintenance for thy maidens. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL