잠언 26장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala. | As snow in summer, and as rain in harvest, so honour is not seemly for a fool. |
| 2 | Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany. | As the bird by wandering, as the swallow by flying, so the curse causeless shall not come. |
| 3 | Ny karavasy ho amin’ ny soavaly ny lamboridy ho amin’ ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ ny lamosin’ ny adala. | A whip for the horse, a bridle for the ass, and a rod for the fool’s back. |
| 4 | Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao. | Answer not a fool according to his folly, lest thou also be like unto him. |
| 5 | Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy | Answer a fool according to his folly, lest he be wise in his own conceit. |
| 6 | Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala. | He that sendeth a message by the hand of a fool cutteth off the feet, and drinketh damage. |
| 7 | Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala. | The legs of the lame are not equal: so is a parable in the mouth of fools. |
| 8 | Toy ny manisy vato eo amin’ ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala. | As he that bindeth a stone in a sling, so is he that giveth honour to a fool. |
| 9 | Toy ny tsilo eny an-tànan’ ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala. | As a thorn goeth up into the hand of a drunkard, so is a parable in the mouth of fools. |
| 10 | Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo. | The great God that formed all things both rewardeth the fool, and rewardeth transgressors. |
| 11 | Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany. | As a dog returneth to his vomit, so a fool returneth to his folly. |
| 12 | Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy. | Seest thou a man wise in his own conceit? there is more hope of a fool than of him. |
| 13 | Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe. | The slothful man saith, There is a lion in the way; a lion is in the streets. |
| 14 | Toy ny varavarana mihodìna amin’ ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany, | As the door turneth upon his hinges, so doth the slothful upon his bed. |
| 15 | Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy. | The slothful hideth his hand in his bosom; it grieveth him to bring it again to his mouth. |
| 16 | Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara. | The sluggard is wiser in his own conceit than seven men that can render a reason. |
| 17 | Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny. | He that passeth by, and meddleth with strife belonging not to him, is like one that taketh a dog by the ears. |
| 18 | Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, | As a mad man who casteth firebrands, arrows, and death, |
| 19 | Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko? | So is the man that deceiveth his neighbour, and saith, Am not I in sport? |
| 20 | Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana. | Where no wood is, there the fire goeth out: so where there is no talebearer, the strife ceaseth. |
| 21 | Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana. | As coals are to burning coals, and wood to fire; so is a contentious man to kindle strife. |
| 22 | Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. | The words of a talebearer are as wounds, and they go down into the innermost parts of the belly. |
| 23 | Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy. | Burning lips and a wicked heart are like a potsherd covered with silver dross. |
| 24 | Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony; | He that hateth dissembleth with his lips, and layeth up deceit within him; |
| 25 | Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony. | When he speaketh fair, believe him not: for there are seven abominations in his heart. |
| 26 | Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso. | Whose hatred is covered by deceit, his wickedness shall be shewed before the whole congregation. |
| 27 | Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa. | Whoso diggeth a pit shall fall therein: and he that rolleth a stone, it will return upon him. |
| 28 | Halan’ ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza. | A lying tongue hateth those that are afflicted by it; and a flattering mouth worketh ruin. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL