잠언 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 27절
- 1 Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
- 2 Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
- 3 Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
- 4 Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?
- 5 Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
- 6 Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo.
- 7 Hitsakitsahin’ ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
- 8 Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany.
- 9 Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ ny sakaiza dia avy amin’ ny ana-panahy ataony.
- 10 Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
- 11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
- 12 Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
- 13 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny janga niantohany izy.
- 14 Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
- 15 Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
- 16 Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
- 17 Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany.
- 18 Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
- 19 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ ny fon’ ny olona amin’ ny an’ olona.
- 20 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona.
- 21 Ny memy ho an’ ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
- 22 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
- 23 Fantaro tsara ny tarehin’ ny ondry aman’ osinao, Ary miahia tsara ny andian’ ny bibinao;
- 24 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
- 25 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
- 26 Ny zanak’ ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
- 27 Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’ osy Sy ho an’ ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ ny ankizivavinao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗