잠언 26장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절
- 1 Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala.
- 2 Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
- 3 Ny karavasy ho amin’ ny soavaly ny lamboridy ho amin’ ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
- 4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
- 5 Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
- 6 Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
- 7 Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
- 8 Toy ny manisy vato eo amin’ ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
- 9 Toy ny tsilo eny an-tànan’ ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
- 10 Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.
- 11 Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany.
- 12 Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
- 13 Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
- 14 Toy ny varavarana mihodìna amin’ ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany,
- 15 Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy.
- 16 Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
- 17 Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny.
- 18 Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
- 19 Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
- 20 Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
- 21 Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
- 22 Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
- 23 Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
- 24 Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
- 25 Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
- 26 Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
- 27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
- 28 Halan’ ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗