잠언 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izao koa no ohabolan’ i Solomona, izay nangonin’ ny olon’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: | These are also proverbs of Solomon, which the men of Hezekiah king of Judah copied out. |
| 2 | Voninahitr’ Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra. | It is the glory of God to conceal a thing: but the honour of kings is to search out a matter. |
| 3 | Ny hahavon’ ny lanitra sy ny halalin’ ny tany Ary ny fon’ ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa. | The heaven for height, and the earth for depth, and the heart of kings is unsearchable. |
| 4 | Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an’ ny mpanao an-idina. | Take away the dross from the silver, and there shall come forth a vessel for the finer. |
| 5 | Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin’ ny fahamarinana ny seza fiandrianany. | Take away the wicked from before the king, and his throne shall be established in righteousness. |
| 6 | Aza manandra-tena eo anatrehan’ ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin’ ny fitoeran’ ny lehibe; | Put not forth thyself in the presence of the king, and stand not in the place of great men: |
| 7 | Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason’ ny manan-kaja izay hitan’ ny masonao. | For better it is that it be said unto thee, Come up hither; than that thou shouldest be put lower in the presence of the prince whom thine eyes have seen. |
| 8 | Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ ny farany, Rehefa omen’ ny namanao henatra ianao. | Go not forth hastily to strive, lest thou know not what to do in the end thereof, when thy neighbour hath put thee to shame. |
| 9 | Miadia ihany ny adinao amin’ ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ ny sasany holazaina, | Debate thy cause with thy neighbour himself; and discover not a secret to another: |
| 10 | Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy. | Lest he that heareth it put thee to shame, and thine infamy turn not away. |
| 11 | Ny teny atao amin’ ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra. | A word fitly spoken is like apples of gold in pictures of silver. |
| 12 | Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ ny sofina mihaino. | As an earring of gold, and an ornament of fine gold, so is a wise reprover upon an obedient ear. |
| 13 | Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin’ izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon’ ny tompony izy. | As the cold of snow in the time of harvest, so is a faithful messenger to them that send him: for he refresheth the soul of his masters. |
| 14 | Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ ny fizaram-bava. | Whoso boasteth himself of a false gift is like clouds and wind without rain. |
| 15 | Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana. | By long forbearing is a prince persuaded, and a soft tongue breaketh the bone. |
| 16 | Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy. | Hast thou found honey? eat so much as is sufficient for thee, lest thou be filled therewith, and vomit it. |
| 17 | Aza miditra matetika ao an-tranon’ ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao. | Withdraw thy foot from thy neighbour’s house; lest he be weary of thee, and so hate thee. |
| 18 | Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany. | A man that beareth false witness against his neighbour is a maul, and a sword, and a sharp arrow. |
| 19 | Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin’ ny andro fahoriana. | Confidence in an unfaithful man in time of trouble is like a broken tooth, and a foot out of joint. |
| 20 | Toy ny miala lamba amin’ ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin’ ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin’ ny malahelo am-po. | As he that taketh away a garment in cold weather, and as vinegar upon nitre, so is he that singeth songs to an heavy heart. |
| 21 | Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny; | If thine enemy be hungry, give him bread to eat; and if he be thirsty, give him water to drink: |
| 22 | Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao. | For thou shalt heap coals of fire upon his head, and the Lord shall reward thee. |
| 23 | Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan’ ny mpifosa mampahavinitra endrika. | The north wind driveth away rain: so doth an angry countenance a backbiting tongue. |
| 24 | Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampontrano Toy izay miray trano amin’ ny vehivavy tia ady. | It is better to dwell in the corner of the housetop, than with a brawling woman and in a wide house. |
| 25 | Rano mangatsiaka amin’ ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra. | As cold waters to a thirsty soul, so is good news from a far country. |
| 26 | Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy, | A righteous man falling down before the wicked is as a troubled fountain, and a corrupt spring. |
| 27 | Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan’ ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra. | It is not good to eat much honey: so for men to search their own glory is not glory. |
| 28 | Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny. | He that hath no rule over his own spirit is like a city that is broken down, and without walls. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL