잠언 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절
- 1 Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
- 2 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
- 3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
- 4 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.
- 5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
- 6 Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
- 7 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
- 8 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
- 9 Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.
- 10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty;
- 11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.
- 12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
- 13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
- 14 Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.
- 15 Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
- 16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.
- 17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
- 18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
- 19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.
- 20 Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
- 21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
- 22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
- 23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
- 24 Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
- 25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
- 26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
- 27 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
- 28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
- 29 An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
- 30 An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
- 31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
- 32 Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
- 33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.
- 34 Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.
- 35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗