잠언 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao, | When thou sittest to eat with a ruler, consider diligently what is before thee: |
| 2 | Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao. | And put a knife to thy throat, if thou be a man given to appetite. |
| 3 | Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany. | Be not desirous of his dainties: for they are deceitful meat. |
| 4 | Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao. | Labour not to be rich: cease from thine own wisdom. |
| 5 | Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra. | Wilt thou set thine eyes upon that which is not? for riches certainly make themselves wings; they fly away as an eagle toward heaven. |
| 6 | Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny; | Eat thou not the bread of him that hath an evil eye, neither desire thou his dainty meats: |
| 7 | Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao. | For as he thinketh in his heart, so is he: Eat and drink, saith he to thee; but his heart is not with thee. |
| 8 | Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao. | The morsel which thou hast eaten shalt thou vomit up, and lose thy sweet words. |
| 9 | Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao. | Speak not in the ears of a fool: for he will despise the wisdom of thy words. |
| 10 | Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty; | Remove not the old landmark; and enter not into the fields of the fatherless: |
| 11 | Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao. | For their redeemer is mighty; he shall plead their cause with thee. |
| 12 | Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao. | Apply thine heart unto instruction, and thine ears to the words of knowledge. |
| 13 | Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; | Withhold not correction from the child: for if thou beatest him with the rod, he shall not die. |
| 14 | Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. | Thou shalt beat him with the rod, and shalt deliver his soul from hell. |
| 15 | Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; | My son, if thine heart be wise, my heart shall rejoice, even mine. |
| 16 | Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao. | Yea, my reins shall rejoice, when thy lips speak right things. |
| 17 | Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro; | Let not thine heart envy sinners: but be thou in the fear of the Lord all the day long. |
| 18 | Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao. | For surely there is an end; and thine expectation shall not be cut off. |
| 19 | Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao. | Hear thou, my son, and be wise, and guide thine heart in the way. |
| 20 | Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; | Be not among winebibbers; among riotous eaters of flesh: |
| 21 | Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. | For the drunkard and the glutton shall come to poverty: and drowsiness shall clothe a man with rags. |
| 22 | Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. | Hearken unto thy father that begat thee, and despise not thy mother when she is old. |
| 23 | Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. | Buy the truth, and sell it not; also wisdom, and instruction, and understanding. |
| 24 | Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. | The father of the righteous shall greatly rejoice: and he that begetteth a wise child shall have joy of him. |
| 25 | Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao. | Thy father and thy mother shall be glad, and she that bare thee shall rejoice. |
| 26 | Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako; | My son, give me thine heart, and let thine eyes observe my ways. |
| 27 | Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; | For a whore is a deep ditch; and a strange woman is a narrow pit. |
| 28 | Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika. | She also lieth in wait as for a prey, and increaseth the transgressors among men. |
| 29 | An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena? | Who hath woe? who hath sorrow? who hath contentions? who hath babbling? who hath wounds without cause? who hath redness of eyes? |
| 30 | An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. | They that tarry long at the wine; they that go to seek mixed wine. |
| 31 | Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra; | Look not thou upon the wine when it is red, when it giveth his colour in the cup, when it moveth itself aright. |
| 32 | Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. | At the last it biteth like a serpent, and stingeth like an adder. |
| 33 | Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy. | Thine eyes shall behold strange women, and thine heart shall utter perverse things. |
| 34 | Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo. | Yea, thou shalt be as he that lieth down in the midst of the sea, or as he that lieth upon the top of a mast. |
| 35 | Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray? | They have stricken me, shalt thou say, and I was not sick; they have beaten me, and I felt it not: when shall I awake? I will seek it yet again. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL