잠언 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 29절
- 1 Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
- 2 Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
- 3 Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
- 4 Ny valin’ ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’ i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
- 5 Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
- 6 Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.
- 7 Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.
- 8 Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
- 9 Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny.
- 10 Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
- 11 Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy.
- 12 Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany.
- 13 Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ ny sasany any an-dalambe aho.
- 14 Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao.
- 15 Miraikitra amin’ ny fon’ ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
- 16 Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
- 17 Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
- 18 Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ ny molotrao.
- 19 Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’ i Jehovah.
- 20 Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
- 21 Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’ izay naniraka anao?
- 22 Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
- 23 Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy.
- 24 Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina,
- 25 Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ ny ainao.
- 26 Aza mety ho isan’ ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
- 27 Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
- 28 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ ny razanao.
- 29 Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗