잠언 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena. | A good name is rather to be chosen than great riches, and loving favour rather than silver and gold. |
| 2 | Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta. | The rich and poor meet together: the Lord is the maker of them all. |
| 3 | Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. | A prudent man foreseeth the evil, and hideth himself: but the simple pass on, and are punished. |
| 4 | Ny valin’ ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’ i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana. | By humility and the fear of the Lord are riches, and honour, and life. |
| 5 | Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany. | Thorns and snares are in the way of the froward: he that doth keep his soul shall be far from them. |
| 6 | Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany. | Train up a child in the way he should go: and when he is old, he will not depart from it. |
| 7 | Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra. | The rich ruleth over the poor, and the borrower is servant to the lender. |
| 8 | Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany. | He that soweth iniquity shall reap vanity: and the rod of his anger shall fail. |
| 9 | Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny. | He that hath a bountiful eye shall be blessed; for he giveth of his bread to the poor. |
| 10 | Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka. | Cast out the scorner, and contention shall go out; yea, strife and reproach shall cease. |
| 11 | Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy. | He that loveth pureness of heart, for the grace of his lips the king shall be his friend. |
| 12 | Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany. | The eyes of the Lord preserve knowledge, and he overthroweth the words of the transgressor. |
| 13 | Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ ny sasany any an-dalambe aho. | The slothful man saith, There is a lion without, I shall be slain in the streets. |
| 14 | Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao. | The mouth of strange women is a deep pit: he that is abhorred of the Lord shall fall therein. |
| 15 | Miraikitra amin’ ny fon’ ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy. | Foolishness is bound in the heart of a child; but the rod of correction shall drive it far from him. |
| 16 | Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny. | He that oppresseth the poor to increase his riches, and he that giveth to the rich, shall surely come to want. |
| 17 | Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao; | Bow down thine ear, and hear the words of the wise, and apply thine heart unto my knowledge. |
| 18 | Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ ny molotrao. | For it is a pleasant thing if thou keep them within thee; they shall withal be fitted in thy lips. |
| 19 | Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’ i Jehovah. | That thy trust may be in the Lord, I have made known to thee this day, even to thee. |
| 20 | Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana, | Have not I written to thee excellent things in counsels and knowledge, |
| 21 | Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’ izay naniraka anao? | That I might make thee know the certainty of the words of truth; that thou mightest answer the words of truth to them that send unto thee? |
| 22 | Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady; | Rob not the poor, because he is poor: neither oppress the afflicted in the gate: |
| 23 | Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy. | For the Lord will plead their cause, and spoil the soul of those that spoiled them. |
| 24 | Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina, | Make no friendship with an angry man; and with a furious man thou shalt not go: |
| 25 | Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ ny ainao. | Lest thou learn his ways, and get a snare to thy soul. |
| 26 | Aza mety ho isan’ ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa; | Be not thou one of them that strike hands, or of them that are sureties for debts. |
| 27 | Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao? | If thou hast nothing to pay, why should he take away thy bed from under thee? |
| 28 | Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ ny razanao. | Remove not the ancient landmark, which thy fathers have set. |
| 29 | Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy. | Seest thou a man diligent in his business? he shall stand before kings; he shall not stand before mean men. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL