잠언 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany. | The king’s heart is in the hand of the Lord, as the rivers of water: he turneth it whithersoever he will. |
| 2 | Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. | Every way of a man is right in his own eyes: but the Lord pondereth the hearts. |
| 3 | Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà. | To do justice and judgment is more acceptable to the Lord than sacrifice. |
| 4 | Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota. | An high look, and a proud heart, and the plowing of the wicked, is sin. |
| 5 | Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany. | The thoughts of the diligent tend only to plenteousness; but of every one that is hasty only to want. |
| 6 | Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana. | The getting of treasures by a lying tongue is a vanity tossed to and fro of them that seek death. |
| 7 | Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy. | The robbery of the wicked shall destroy them; because they refuse to do judgment. |
| 8 | Miolikolika ny lalan’ ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ ny madio. | The way of man is froward and strange: but as for the pure, his work is right. |
| 9 | Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady. | It is better to dwell in a corner of the housetop, than with a brawling woman in a wide house. |
| 10 | Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony. | The soul of the wicked desireth evil: his neighbour findeth no favour in his eyes. |
| 11 | Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy. | When the scorner is punished, the simple is made wise: and when the wise is instructed, he receiveth knowledge. |
| 12 | Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza. | The righteous man wisely considereth the house of the wicked: but God overthroweth the wicked for their wickedness. |
| 13 | Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina. | Whoso stoppeth his ears at the cry of the poor, he also shall cry himself, but shall not be heard. |
| 14 | Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy. | A gift in secret pacifieth anger: and a reward in the bosom strong wrath. |
| 15 | Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany. | It is joy to the just to do judgment: but destruction shall be to the workers of iniquity. |
| 16 | Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty. | The man that wandereth out of the way of understanding shall remain in the congregation of the dead. |
| 17 | Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena. | He that loveth pleasure shall be a poor man: he that loveth wine and oil shall not be rich. |
| 18 | Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy. | The wicked shall be a ransom for the righteous, and the transgressor for the upright. |
| 19 | Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ ny vehivavy tia ady sady foizina. | It is better to dwell in the wilderness, than with a contentious and an angry woman. |
| 20 | Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy. | There is treasure to be desired and oil in the dwelling of the wise; but a foolish man spendeth it up. |
| 21 | Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. | He that followeth after righteousness and mercy findeth life, righteousness, and honour. |
| 22 | Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany. | A wise man scaleth the city of the mighty, and casteth down the strength of the confidence thereof. |
| 23 | Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana. | Whoso keepeth his mouth and his tongue keepeth his soul from troubles. |
| 24 | Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona. | Proud and haughty scorner is his name, who dealeth in proud wrath. |
| 25 | Ny fanirian’ ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona; | The desire of the slothful killeth him; for his hands refuse to labour. |
| 26 | Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra. | He coveteth greedily all the day long: but the righteous giveth and spareth not. |
| 27 | Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy. | The sacrifice of the wicked is abomination: how much more, when he bringeth it with a wicked mind? |
| 28 | Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva. | A false witness shall perish: but the man that heareth speaketh constantly. |
| 29 | Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany. | A wicked man hardeneth his face: but as for the upright, he directeth his way. |
| 30 | Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah. | There is no wisdom nor understanding nor counsel against the Lord. |
| 31 | Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena. | The horse is prepared against the day of battle: but safety is of the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL