잠언 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 30절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry. | Wine is a mocker, strong drink is raging: and whosoever is deceived thereby is not wise. |
| 2 | Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy, | The fear of a king is as the roaring of a lion: whoso provoketh him to anger sinneth against his own soul. |
| 3 | Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka. | It is an honour for a man to cease from strife: but every fool will be meddling. |
| 4 | Ny malaina tsy mety miasa amin’ ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo. | The sluggard will not plow by reason of the cold; therefore shall he beg in harvest, and have nothing. |
| 5 | Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany, | Counsel in the heart of man is like deep water; but a man of understanding will draw it out. |
| 6 | Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy? | Most men will proclaim every one his own goodness: but a faithful man who can find? |
| 7 | Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy. | The just man walketh in his integrity: his children are blessed after him. |
| 8 | Mipetraka eo amin’ ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony. | A king that sitteth in the throne of judgment scattereth away all evil with his eyes. |
| 9 | Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota? | Who can say, I have made my heart clean, I am pure from my sin? |
| 10 | Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah. | Divers weights, and divers measures, both of them are alike abomination to the Lord. |
| 11 | Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany. | Even a child is known by his doings, whether his work be pure, and whether it be right. |
| 12 | Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa. | The hearing ear, and the seeing eye, the Lord hath made even both of them. |
| 13 | Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao. | Love not sleep, lest thou come to poverty; open thine eyes, and thou shalt be satisfied with bread. |
| 14 | Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena. | It is naught, it is naught, saith the buyer: but when he is gone his way, then he boasteth. |
| 15 | Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa. | There is gold, and a multitude of rubies: but the lips of knowledge are a precious jewel. |
| 16 | Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany. | Take his garment that is surety for a stranger: and take a pledge of him for a strange woman. |
| 17 | Mamin’ ny olona ny hanina azo amin’ ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany. | Bread of deceit is sweet to a man; but afterwards his mouth shall be filled with gravel. |
| 18 | Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady. | Every purpose is established by counsel: and with good advice make war. |
| 19 | Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’ izay mibedibedy foana. | He that goeth about as a talebearer revealeth secrets: therefore meddle not with him that flattereth with his lips. |
| 20 | Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ ny alim-pito ny jirony. | Whoso curseth his father or his mother, his lamp shall be put out in obscure darkness. |
| 21 | Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany. | An inheritance may be gotten hastily at the beginning; but the end thereof shall not be blessed. |
| 22 | Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao. | Say not thou, I will recompense evil; but wait on the Lord, and he shall save thee. |
| 23 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara. | Divers weights are an abomination unto the Lord; and a false balance is not good. |
| 24 | Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany? | Man’s goings are of the Lord; how can a man then understand his own way? |
| 25 | Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra. | It is a snare to the man who devoureth that which is holy, and after vows to make enquiry. |
| 26 | Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny. | A wise king scattereth the wicked, and bringeth the wheel over them. |
| 27 | Jiron’ i Jehovah ny fanahin’ ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po. | The spirit of man is the candle of the Lord, searching all the inward parts of the belly. |
| 28 | Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ ny famindram-po ny seza fiandrianany. | Mercy and truth preserve the king: and his throne is upholden by mercy. |
| 29 | Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy. | The glory of young men is their strength: and the beauty of old men is the gray head. |
| 30 | Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo. | The blueness of a wound cleanseth away evil: so do stripes the inward parts of the belly. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL