로그인

잠언 17장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 28절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana. Better is a dry morsel, and quietness therewith, than an house full of sacrifices with strife.
2 Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ ny mpirahalahy. A wise servant shall have rule over a son that causeth shame, and shall have part of the inheritance among the brethren.
3 Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo. The fining pot is for silver, and the furnace for gold: but the Lord trieth the hearts.
4 Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza. A wicked doer giveth heed to false lips; and a liar giveth ear to a naughty tongue.
5 Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina. Whoso mocketh the poor reproacheth his Maker: and he that is glad at calamities shall not be unpunished.
6 Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy. Children’s children are the crown of old men; and the glory of children are their fathers.
7 Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ ny zanak’ andriana ny molotra mandainga. Excellent speech becometh not a fool: much less do lying lips a prince.
8 Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’ izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany. A gift is as a precious stone in the eyes of him that hath it: whithersoever it turneth, it prospereth.
9 Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza. He that covereth a transgression seeketh love; but he that repeateth a matter separateth very friends.
10 Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ ny adala. A reproof entereth more into a wise man than an hundred stripes into a fool.
11 Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy. An evil man seeketh only rebellion: therefore a cruel messenger shall be sent against him.
12 Aleo mifanena amin’ ny bera very anaka Toy izay amin’ ny adala feno hadalana. Let a bear robbed of her whelps meet a man, rather than a fool in his folly.
13 Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony. Whoso rewardeth evil for good, evil shall not depart from his house.
14 Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra. The beginning of strife is as when one letteth out water: therefore leave off contention, before it be meddled with.
15 Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah. He that justifieth the wicked, and he that condemneth the just, even they both are abomination to the Lord.
16 Hatao inona re ity vola an-tànan’ ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy. Wherefore is there a price in the hand of a fool to get wisdom, seeing he hath no heart to it?
17 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ ny fahoriana. A friend loveth at all times, and a brother is born for adversity.
18 Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany. A man void of understanding striketh hands, and becometh surety in the presence of his friend.
19 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana. He loveth transgression that loveth strife: and he that exalteth his gate seeketh destruction.
20 Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza. He that hath a froward heart findeth no good: and he that hath a perverse tongue falleth into mischief.
21 Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ ny adala tsy ho faly. He that begetteth a fool doeth it to his sorrow: and the father of a fool hath no joy.
22 Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. A merry heart doeth good like a medicine: but a broken spirit drieth the bones.
23 Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny. A wicked man taketh a gift out of the bosom to pervert the ways of judgment.
24 Eo anoloan’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ ny adala dia mibirioka any amin’ ny faran’ ny tany. Wisdom is before him that hath understanding; but the eyes of a fool are in the ends of the earth.
25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ ny reniny niteraka azy. A foolish son is a grief to his father, and bitterness to her that bare him.
26 Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany. Also to punish the just is not good, nor to strike princes for equity.
27 Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina. He that hath knowledge spareth his words: and a man of understanding is of an excellent spirit.
28 Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina. Even a fool, when he holdeth his peace, is counted wise: and he that shutteth his lips is esteemed a man of understanding.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL