잠언 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny fikasan’ ny fo no amin’ ny olona; Fa ny famalian’ ny lela dia avy amin’ i Jehovah. | The preparations of the heart in man, and the answer of the tongue, is from the Lord. |
| 2 | Ataon’ ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy. | All the ways of a man are clean in his own eyes; but the Lord weigheth the spirits. |
| 3 | Ankino amin’ i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao. | Commit thy works unto the Lord, and thy thoughts shall be established. |
| 4 | Ny zavatra rehetra nataon’ i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ ny andro hahitan-doza. | The Lord hath made all things for himself: yea, even the wicked for the day of evil. |
| 5 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy. | Every one that is proud in heart is an abomination to the Lord: though hand join in hand, he shall not be unpunished. |
| 6 | Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy. | By mercy and truth iniquity is purged: and by the fear of the Lord men depart from evil. |
| 7 | Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy. | When a man’s ways please the Lord, he maketh even his enemies to be at peace with him. |
| 8 | Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny. | Better is a little with righteousness than great revenues without right. |
| 9 | Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. | A man’s heart deviseth his way: but the Lord directeth his steps. |
| 10 | Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara. | A divine sentence is in the lips of the king: his mouth transgresseth not in judgment. |
| 11 | An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo. | A just weight and balance are the Lord’s: all the weights of the bag are his work. |
| 12 | Fahavetavetana eo imason’ ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana. | It is an abomination to kings to commit wickedness: for the throne is established by righteousness. |
| 13 | Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany. | Righteous lips are the delight of kings; and they love him that speaketh right. |
| 14 | Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany. | The wrath of a king is as messengers of death: but a wise man will pacify it. |
| 15 | Amin’ ny fahamiramiranan’ ny tarehin’ ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ ny fararano. | In the light of the king’s countenance is life; and his favour is as a cloud of the latter rain. |
| 16 | Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy. | How much better is it to get wisdom than gold! and to get understanding rather to be chosen than silver! |
| 17 | Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. | The highway of the upright is to depart from evil: he that keepeth his way preserveth his soul. |
| 18 | Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana. | Pride goeth before destruction, and an haughty spirit before a fall. |
| 19 | Tsara ny malemy fanahy ao amin’ izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’ izay miavonavona. | Better it is to be of an humble spirit with the lowly, than to divide the spoil with the proud. |
| 20 | Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra. | He that handleth a matter wisely shall find good: and whoso trusteth in the Lord, happy is he. |
| 21 | Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena. | The wise in heart shall be called prudent: and the sweetness of the lips increaseth learning. |
| 22 | Loharanon’ aina ny fahazavan-tsaina amin’ izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ ny adala dia fahadalana ihany. | Understanding is a wellspring of life unto him that hath it: but the instruction of fools is folly. |
| 23 | Ny fon’ ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ ny molony. | The heart of the wise teacheth his mouth, and addeth learning to his lips. |
| 24 | Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ ny fanahy no mahatsara ny taolana. | Pleasant words are as an honeycomb, sweet to the soul, and health to the bones. |
| 25 | Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany. | There is a way that seemeth right unto a man, but the end thereof are the ways of death. |
| 26 | Ny fahanoanan’ ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy. | He that laboureth laboureth for himself; for his mouth craveth it of him. |
| 27 | Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ ny molony. | An ungodly man diggeth up evil: and in his lips there is as a burning fire. |
| 28 | Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza. | A froward man soweth strife: and a whisperer separateth chief friends. |
| 29 | Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin’ ny lalana tsy tsara. | A violent man enticeth his neighbour, and leadeth him into the way that is not good. |
| 30 | Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy. | He shutteth his eyes to devise froward things: moving his lips he bringeth evil to pass. |
| 31 | Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no ahazoana azy. | The hoary head is a crown of glory, if it be found in the way of righteousness. |
| 32 | Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. | He that is slow to anger is better than the mighty; and he that ruleth his spirit than he that taketh a city. |
| 33 | Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin’ i Jehovah ihany no isehoan’ ny fitsarany. | The lot is cast into the lap; but the whole disposing thereof is of the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL