잠언 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. | A soft answer turneth away wrath: but grievous words stir up anger. |
| 2 | Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana. | The tongue of the wise useth knowledge aright: but the mouth of fools poureth out foolishness. |
| 3 | Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. | The eyes of the Lord are in every place, beholding the evil and the good. |
| 4 | Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. | A wholesome tongue is a tree of life: but perverseness therein is a breach in the spirit. |
| 5 | Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry. | A fool despiseth his father’s instruction: but he that regardeth reproof is prudent. |
| 6 | Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza. | In the house of the righteous is much treasure: but in the revenues of the wicked is trouble. |
| 7 | Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala. | The lips of the wise disperse knowledge: but the heart of the foolish doeth not so. |
| 8 | Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany. | The sacrifice of the wicked is an abomination to the Lord: but the prayer of the upright is his delight. |
| 9 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany. | The way of the wicked is an abomination unto the Lord: but he loveth him that followeth after righteousness. |
| 10 | Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty. | Correction is grievous unto him that forsaketh the way: and he that hateth reproof shall die. |
| 11 | Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona! | Hell and destruction are before the Lord: how much more then the hearts of the children of men? |
| 12 | Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy. | A scorner loveth not one that reproveth him: neither will he go unto the wise. |
| 13 | Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy. | A merry heart maketh a cheerful countenance: but by sorrow of the heart the spirit is broken. |
| 14 | Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana. | The heart of him that hath understanding seeketh knowledge: but the mouth of fools feedeth on foolishness. |
| 15 | Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva. | All the days of the afflicted are evil: but he that is of a merry heart hath a continual feast. |
| 16 | Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy. | Better is little with the fear of the Lord than great treasure and trouble therewith. |
| 17 | Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. | Better is a dinner of herbs where love is, than a stalled ox and hatred therewith. |
| 18 | Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. | A wrathful man stirreth up strife: but he that is slow to anger appeaseth strife. |
| 19 | Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara. | The way of the slothful man is as an hedge of thorns: but the way of the righteous is made plain. |
| 20 | Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny. | A wise son maketh a glad father: but a foolish man despiseth his mother. |
| 21 | Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy | Folly is joy to him that is destitute of wisdom: but a man of understanding walketh uprightly. |
| 22 | Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany. | Without counsel purposes are disappointed: but in the multitude of counsellors they are established. |
| 23 | Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy! | A man hath joy by the answer of his mouth: and a word spoken in due season, how good is it! |
| 24 | Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, | The way of life is above to the wise, that he may depart from hell beneath. |
| 25 | Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy. | The Lord will destroy the house of the proud: but he will establish the border of the widow. |
| 26 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra. | The thoughts of the wicked are an abomination to the Lord: but the words of the pure are pleasant words. |
| 27 | Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona. | He that is greedy of gain troubleth his own house; but he that hateth gifts shall live. |
| 28 | Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. | The heart of the righteous studieth to answer: but the mouth of the wicked poureth out evil things. |
| 29 | Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny. | The Lord is far from the wicked: but he heareth the prayer of the righteous. |
| 30 | Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana. | The light of the eyes rejoiceth the heart: and a good report maketh the bones fat. |
| 31 | Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry. | The ear that heareth the reproof of life abideth among the wise. |
| 32 | Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. | He that refuseth instruction despiseth his own soul: but he that heareth reproof getteth understanding. |
| 33 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana. | The fear of the Lord is the instruction of wisdom; and before honour is humility. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL