욥기 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | Then Job answered and said, |
| 2 | Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? | I know it is so of a truth: but how should man be just with God? |
| 3 | Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza. | If he will contend with him, he cannot answer him one of a thousand. |
| 4 | Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona? | He is wise in heart, and mighty in strength: who hath hardened himself against him, and hath prospered? |
| 5 | Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany, | Which removeth the mountains, and they know not: which overturneth them in his anger. |
| 6 | Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny; | Which shaketh the earth out of her place, and the pillars thereof tremble. |
| 7 | Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana; | Which commandeth the sun, and it riseth not; and sealeth up the stars. |
| 8 | Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina; | Which alone spreadeth out the heavens, and treadeth upon the waves of the sea. |
| 9 | Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo, | Which maketh Arcturus, Orion, and Pleiades, and the chambers of the south. |
| 10 | Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. | Which doeth great things past finding out; yea, and wonders without number. |
| 11 | Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro. | Lo, he goeth by me, and I see him not: he passeth on also, but I perceive him not. |
| 12 | Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao? | Behold, he taketh away, who can hinder him? who will say unto him, What doest thou? |
| 13 | Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny. | If God will not withdraw his anger, the proud helpers do stoop under him. |
| 14 | Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy; | How much less shall I answer him, and choose out my words to reason with him? |
| 15 | Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko. | Whom, though I were righteous, yet would I not answer, but I would make supplication to my judge. |
| 16 | Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy. | If I had called, and he had answered me; yet would I not believe that he had hearkened unto my voice. |
| 17 | Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana. | For he breaketh me with a tempest, and multiplieth my wounds without cause. |
| 18 | Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy. | He will not suffer me to take my breath, but filleth me with bitterness. |
| 19 | Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko? | If I speak of strength, lo, he is strong: and if of judgment, who shall set me a time to plead? |
| 20 | Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy. | If I justify myself, mine own mouth shall condemn me: if I say, I am perfect, it shall also prove me perverse. |
| 21 | Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona. | Though I were perfect, yet would I not know my soul: I would despise my life. |
| 22 | Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa. | This is one thing, therefore I said it, He destroyeth the perfect and the wicked. |
| 23 | Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy. | If the scourge slay suddenly, he will laugh at the trial of the innocent. |
| 24 | Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary? | The earth is given into the hand of the wicked: he covereth the faces of the judges thereof; if not, where, and who is he? |
| 25 | Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory. | Now my days are swifter than a post: they flee away, they see no good. |
| 26 | Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina. | They are passed away as the swift ships: as the eagle that hasteth to the prey. |
| 27 | Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana, | If I say, I will forget my complaint, I will leave off my heaviness, and comfort myself: |
| 28 | Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho. | I am afraid of all my sorrows, I know that thou wilt not hold me innocent. |
| 29 | Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana? | If I be wicked, why then labour I in vain? |
| 30 | Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona, | If I wash myself with snow water, and make my hands never so clean; |
| 31 | Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho. | Yet shalt thou plunge me in the ditch, and mine own clothes shall abhor me. |
| 32 | Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana. | For he is not a man, as I am, that I should answer him, and we should come together in judgment. |
| 33 | Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta. | Neither is there any daysman betwixt us, that might lay his hand upon us both. |
| 34 | Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany, | Let him take his rod away from me, and let not his fear terrify me: |
| 35 | Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho. | Then would I speak, and not fear him; but it is not so with me. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL