욥기 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko | My soul is weary of my life; I will leave my complaint upon myself; I will speak in the bitterness of my soul. |
| 2 | Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho. | I will say unto God, Do not condemn me; shew me wherefore thou contendest with me. |
| 3 | Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy? | Is it good unto thee that thou shouldest oppress, that thou shouldest despise the work of thine hands, and shine upon the counsel of the wicked? |
| 4 | Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona? | Hast thou eyes of flesh? or seest thou as man seeth? |
| 5 | Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao, | Are thy days as the days of man? are thy years as man’s days, |
| 6 | No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako, | That thou enquirest after mine iniquity, and searchest after my sin? |
| 7 | Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao? | Thou knowest that I am not wicked; and there is none that can deliver out of thine hand. |
| 8 | Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao. | Thine hands have made me and fashioned me together round about; yet thou dost destroy me. |
| 9 | Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao! | Remember, I beseech thee, that thou hast made me as the clay; and wilt thou bring me into dust again? |
| 10 | Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry? | Hast thou not poured me out as milk, and curdled me like cheese? |
| 11 | Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra. | Thou hast clothed me with skin and flesh, and hast fenced me with bones and sinews. |
| 12 | Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko. | Thou hast granted me life and favour, and thy visitation hath preserved my spirit. |
| 13 | Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao: | And these things hast thou hid in thine heart: I know that this is with thee. |
| 14 | Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko. | If I sin, then thou markest me, and thou wilt not acquit me from mine iniquity. |
| 15 | Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho. | If I be wicked, woe unto me; and if I be righteous, yet will I not lift up my head. I am full of confusion; therefore see thou mine affliction; |
| 16 | Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy. | For it increaseth. Thou huntest me as a fierce lion: and again thou shewest thyself marvellous upon me. |
| 17 | Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy. | Thou renewest thy witnesses against me, and increasest thine indignation upon me; changes and war are against me. |
| 18 | Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory. | Wherefore then hast thou brought me forth out of the womb? Oh that I had given up the ghost, and no eye had seen me! |
| 19 | Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. | I should have been as though I had not been; I should have been carried from the womb to the grave. |
| 20 | Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely, | Are not my days few? cease then, and let me alone, that I may take comfort a little, |
| 21 | Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana, | Before I go whence I shall not return, even to the land of darkness and the shadow of death; |
| 22 | Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any. | A land of darkness, as darkness itself; and of the shadow of death, without any order, and where the light is as darkness. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL