욥기 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: | Then answered Bildad the Shuhite, and said, |
| 2 | Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao? | How long wilt thou speak these things? and how long shall the words of thy mouth be like a strong wind? |
| 3 | Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny? | Doth God pervert judgment? or doth the Almighty pervert justice? |
| 4 | Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany. | If thy children have sinned against him, and he have cast them away for their transgression; |
| 5 | Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha. | If thou wouldest seek unto God betimes, and make thy supplication to the Almighty; |
| 6 | Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao, | If thou wert pure and upright; surely now he would awake for thee, and make the habitation of thy righteousness prosperous. |
| 7 | Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. | Though thy beginning was small, yet thy latter end should greatly increase. |
| 8 | Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany | For enquire, I pray thee, of the former age, and prepare thyself to the search of their fathers: |
| 9 | (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany); | (For we are but of yesterday, and know nothing, because our days upon earth are a shadow:) |
| 10 | Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony? | Shall not they teach thee, and tell thee, and utter words out of their heart? |
| 11 | Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano? | Can the rush grow up without mire? can the flag grow without water? |
| 12 | Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra. | Whilst it is yet in his greenness, and not cut down, it withereth before any other herb. |
| 13 | Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, | So are the paths of all that forget God; and the hypocrite’s hope shall perish: |
| 14 | Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny. | Whose hope shall be cut off, and whose trust shall be a spider’s web. |
| 15 | Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. | He shall lean upon his house, but it shall not stand: he shall hold it fast, but it shall not endure. |
| 16 | Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny; | He is green before the sun, and his branch shooteth forth in his garden. |
| 17 | Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany; | His roots are wrapped about the heap, and seeth the place of stones. |
| 18 | Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho. | If he destroy him from his place, then it shall deny him, saying, I have not seen thee. |
| 19 | Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka. | Behold, this is the joy of his way, and out of the earth shall others grow. |
| 20 | Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy; | Behold, God will not cast away a perfect man, neither will he help the evil doers: |
| 21 | Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao. | Till he fill thy mouth with laughing, and thy lips with rejoicing. |
| 22 | Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy. | They that hate thee shall be clothed with shame; and the dwelling place of the wicked shall come to nought. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL