욥기 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 35절
- 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
- 3 Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
- 4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
- 5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany,
- 6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
- 7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
- 8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
- 9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
- 10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
- 11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
- 12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
- 13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
- 14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
- 15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.
- 16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
- 17 Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
- 18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
- 19 Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
- 20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
- 21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
- 22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
- 23 Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
- 24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
- 25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
- 26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
- 27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
- 28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
- 29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
- 30 Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona,
- 31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
- 32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.
- 33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
- 34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
- 35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗