욥기 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절
- 1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
- 2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
- 3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
- 4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
- 5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha.
- 6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,
- 7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
- 8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany
- 9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany);
- 10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
- 11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
- 12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra.
- 13 Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,
- 14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
- 15 Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
- 16 Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny;
- 17 Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
- 18 Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
- 19 Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka.
- 20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
- 21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
- 22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗