욥기 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny? | Is there not an appointed time to man upon earth? are not his days also like the days of an hireling? |
| 2 | Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany, | As a servant earnestly desireth the shadow, and as an hireling looketh for the reward of his work: |
| 3 | Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy. | So am I made to possess months of vanity, and wearisome nights are appointed to me. |
| 4 | Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro. | When I lie down, I say, When shall I arise, and the night be gone? and I am full of tossings to and fro unto the dawning of the day. |
| 5 | Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray. | My flesh is clothed with worms and clods of dust; my skin is broken, and become loathsome. |
| 6 | Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana. | My days are swifter than a weaver’s shuttle, and are spent without hope. |
| 7 | Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. | O remember that my life is wind: mine eye shall no more see good. |
| 8 | Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. | The eye of him that hath seen me shall see me no more: thine eyes are upon me, and I am not. |
| 9 | Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; | As the cloud is consumed and vanisheth away: so he that goeth down to the grave shall come up no more. |
| 10 | Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. | He shall return no more to his house, neither shall his place know him any more. |
| 11 | Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko. | Therefore I will not refrain my mouth; I will speak in the anguish of my spirit; I will complain in the bitterness of my soul. |
| 12 | Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana? | Am I a sea, or a whale, that thou settest a watch over me? |
| 13 | Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako. | When I say, My bed shall comfort me, my couch shall ease my complaint; |
| 14 | Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry; | Then thou scarest me with dreams, and terrifiest me through visions: |
| 15 | Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato; | So that my soul chooseth strangling, and death rather than my life. |
| 16 | Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. | I loathe it; I would not live alway: let me alone; for my days are vanity. |
| 17 | Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao, | What is man, that thou shouldest magnify him? and that thou shouldest set thine heart upon him? |
| 18 | Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso? | And that thou shouldest visit him every morning, and try him every moment? |
| 19 | Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora? | How long wilt thou not depart from me, nor let me alone till I swallow down my spittle? |
| 20 | Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho? | I have sinned; what shall I do unto thee, O thou preserver of men? why hast thou set me as a mark against thee, so that I am a burden to myself? |
| 21 | Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho. | And why dost thou not pardon my transgression, and take away mine iniquity? for now shall I sleep in the dust; and thou shalt seek me in the morning, but I shall not be. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL