욥기 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 30절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | But Job answered and said, |
| 2 | Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ ny mizana izy sy ny fahoriako! | Oh that my grief were throughly weighed, and my calamity laid in the balances together! |
| 3 | Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho. | For now it would be heavier than the sand of the sea: therefore my words are swallowed up. |
| 4 | Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy. | For the arrows of the Almighty are within me, the poison whereof drinketh up my spirit: the terrors of God do set themselves in array against me. |
| 5 | Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ ny fihinany? | Doth the wild ass bray when he hath grass? or loweth the ox over his fodder? |
| 6 | Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’ atody? | Can that which is unsavoury be eaten without salt? or is there any taste in the white of an egg? |
| 7 | Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza. | The things that my soul refused to touch are as my sorrowful meat. |
| 8 | Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’ Andriamanitra ahy anie izay iriko! | Oh that I might have my request; and that God would grant me the thing that I long for! |
| 9 | Ka ho sitrak’ Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko, | Even that it would please God to destroy me; that he would let loose his hand, and cut me off! |
| 10 | Dia hahita fiononana amin’ izany aho ka hiravoravo na dia amin’ ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ ny Iray Masìna aho. | Then should I yet have comfort; yea, I would harden myself in sorrow: let him not spare; for I have not concealed the words of the Holy One. |
| 11 | Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? | What is my strength, that I should hope? and what is mine end, that I should prolong my life? |
| 12 | Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko? | Is my strength the strength of stones? or is my flesh of brass? |
| 13 | Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana? | Is not my help in me? and is wisdom driven quite from me? |
| 14 | Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. | To him that is afflicted pity should be shewed from his friend; but he forsaketh the fear of the Almighty. |
| 15 | Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra, | My brethren have dealt deceitfully as a brook, and as the stream of brooks they pass away; |
| 16 | Izay mainty azon’ ny ranomandry Sady iafenan’ ny oram-panala; | Which are blackish by reason of the ice, and wherein the snow is hid: |
| 17 | Fa raha taninin’ ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ ny fitoerany izy; | What time they wax warm, they vanish: when it is hot, they are consumed out of their place. |
| 18 | Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona. | The paths of their way are turned aside; they go to nothing, and perish. |
| 19 | Ny antokon’ i Tema mitazana, ny andian’ i Sheba manantena azy; | The troops of Tema looked, the companies of Sheba waited for them. |
| 20 | Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay. | They were confounded because they had hoped; they came thither, and were ashamed. |
| 21 | Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra. | For now ye are nothing; ye see my casting down, and are afraid. |
| 22 | Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ ny fanananareo, | Did I say, Bring unto me? or, Give a reward for me of your substance? |
| 23 | Ary vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalo aho, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpitohatoha? | Or, Deliver me from the enemy’s hand? or, Redeem me from the hand of the mighty? |
| 24 | Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho. | Teach me, and I will hold my tongue: and cause me to understand wherein I have erred. |
| 25 | Endrey ny herin’ ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo? | How forcible are right words! but what doth your arguing reprove? |
| 26 | Ny amin’ ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ ny rivotra ny tenin’ ny olona mamoy fo. | Do ye imagine to reprove words, and the speeches of one that is desperate, which are as wind? |
| 27 | Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra. | Yea, ye overwhelm the fatherless, and ye dig a pit for your friend. |
| 28 | Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho. | Now therefore be content, look upon me; for it is evident unto you if I lie. |
| 29 | Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako. | Return, I pray you, let it not be iniquity; yea, return again, my righteousness is in it. |
| 30 | Moa misy heloka va eo amin’ ny lelako? | Is there iniquity in my tongue? cannot my taste discern perverse things? |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL