욥기 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 27절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ ireo masìna no hotodihinao? | Call now, if there be any that will answer thee; and to which of the saints wilt thou turn? |
| 2 | Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana. | For wrath killeth the foolish man, and envy slayeth the silly one. |
| 3 | Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho; | I have seen the foolish taking root: but suddenly I cursed his habitation. |
| 4 | Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy; | His children are far from safety, and they are crushed in the gate, neither is there any to deliver them. |
| 5 | Ny vokatry ny taniny dia lanin’ ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany | Whose harvest the hungry eateth up, and taketh it even out of the thorns, and the robber swalloweth up their substance. |
| 6 | Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana, | Although affliction cometh not forth of the dust, neither doth trouble spring out of the ground; |
| 7 | Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatra | Yet man is born unto trouble, as the sparks fly upward. |
| 8 | Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’ Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko, | I would seek unto God, and unto God would I commit my cause: |
| 9 | Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa, | Which doeth great things and unsearchable; marvellous things without number: |
| 10 | Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha, | Who giveth rain upon the earth, and sendeth waters upon the fields: |
| 11 | Ka apetrany amin’ ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ ny fahafinaretana ny miory, | To set up on high those that be low; that those which mourn may be exalted to safety. |
| 12 | Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany; | He disappointeth the devices of the crafty, so that their hands cannot perform their enterprise. |
| 13 | Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava; | He taketh the wise in their own craftiness: and the counsel of the froward is carried headlong. |
| 14 | Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina; | They meet with darkness in the daytime, and grope in the noonday as in the night. |
| 15 | Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ ny tanan’ ny mahery izy. | But he saveth the poor from the sword, from their mouth, and from the hand of the mighty. |
| 16 | Dia misy fanantenana ho an’ ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava | So the poor hath hope, and iniquity stoppeth her mouth. |
| 17 | Indro, sambatra ny zanak’ olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ ny Tsitoha; | Behold, happy is the man whom God correcteth: therefore despise not thou the chastening of the Almighty: |
| 18 | Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana. | For he maketh sore, and bindeth up: he woundeth, and his hands make whole. |
| 19 | Amin’ ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao. | He shall deliver thee in six troubles: yea, in seven there shall no evil touch thee. |
| 20 | Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ ny sabatra Izy; | In famine he shall redeem thee from death: and in war from the power of the sword. |
| 21 | Hampiereny tsy ho voan’ ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana; | Thou shalt be hid from the scourge of the tongue: neither shalt thou be afraid of destruction when it cometh. |
| 22 | Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia; | At destruction and famine thou shalt laugh: neither shalt thou be afraid of the beasts of the earth. |
| 23 | Fa vita fanekena amin’ ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao; | For thou shalt be in league with the stones of the field: and the beasts of the field shall be at peace with thee. |
| 24 | Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao; | And thou shalt know that thy tabernacle shall be in peace; and thou shalt visit thy habitation, and shalt not sin. |
| 25 | Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ ny tany; | Thou shalt know also that thy seed shall be great, and thine offspring as the grass of the earth. |
| 26 | Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ ny fotoana. | Thou shalt come to thy grave in a full age, like as a shock of corn cometh in in his season. |
| 27 | Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara. | Lo this, we have searched it, so it is; hear it, and know thou it for thy good. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL