욥기 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: | Then Eliphaz the Temanite answered and said, |
| 2 | Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany? | If we assay to commune with thee, wilt thou be grieved? but who can withhold himself from speaking? |
| 3 | Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao; | Behold, thou hast instructed many, and thou hast strengthened the weak hands. |
| 4 | Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao | Thy words have upholden him that was falling, and thou hast strengthened the feeble knees. |
| 5 | Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao | But now it is come upon thee, and thou faintest; it toucheth thee, and thou art troubled. |
| 6 | Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ ny lalanao? | Is not this thy fear, thy confidence, thy hope, and the uprightness of thy ways? |
| 7 | Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? | Remember, I pray thee, who ever perished, being innocent? or where were the righteous cut off? |
| 8 | Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany. | Even as I have seen, they that plow iniquity, and sow wickedness, reap the same. |
| 9 | Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy. | By the blast of God they perish, and by the breath of his nostrils are they consumed. |
| 10 | Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana; | The roaring of the lion, and the voice of the fierce lion, and the teeth of the young lions, are broken. |
| 11 | Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy. | The old lion perisheth for lack of prey, and the stout lion’s whelps are scattered abroad. |
| 12 | Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy, | Now a thing was secretly brought to me, and mine ear received a little thereof. |
| 13 | Tamin’ ny eritreritra avy amin’ ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona, | In thoughts from the visions of the night, when deep sleep falleth on men, |
| 14 | Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany. | Fear came upon me, and trembling, which made all my bones to shake. |
| 15 | Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako. | Then a spirit passed before my face; the hair of my flesh stood up: |
| 16 | Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe: | It stood still, but I could not discern the form thereof: an image was before mine eyes, there was silence, and I heard a voice, saying, |
| 17 | Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’ olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona? | Shall mortal man be more just than God? shall a man be more pure than his maker? |
| 18 | Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra. | Behold, he put no trust in his servants; and his angels he charged with folly: |
| 19 | Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy; | How much less in them that dwell in houses of clay, whose foundation is in the dust, which are crushed before the moth? |
| 20 | Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy. | They are destroyed from morning to evening: they perish for ever without any regarding it. |
| 21 | Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena. | Doth not their excellency which is in them go away? they die, even without wisdom. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL