욥기 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 26절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny | After this opened Job his mouth, and cursed his day. |
| 2 | nanao hoe: | And Job spake, and said, |
| 3 | Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina! | Let the day perish wherein I was born, and the night in which it was said, There is a man child conceived. |
| 4 | Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy; | Let that day be darkness; let not God regard it from above, neither let the light shine upon it. |
| 5 | Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy. | Let darkness and the shadow of death stain it; let a cloud dwell upon it; let the blackness of the day terrify it. |
| 6 | Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ ny andron’ ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ ny isan’ ny volana; | As for that night, let darkness seize upon it; let it not be joined unto the days of the year, let it not come into the number of the months. |
| 7 | Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby; | Lo, let that night be solitary, let no joyful voice come therein. |
| 8 | Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona; | Let them curse it that curse the day, who are ready to raise up their mourning. |
| 9 | Aoka ho maizina ny kintan’ ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ ny maraina izy, | Let the stars of the twilight thereof be dark; let it look for light, but have none; neither let it see the dawning of the day: |
| 10 | Satria tsy nanidy ny varavaran’ ny kibon’ ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ ny masoko. | Because it shut not up the doors of my mother’s womb, nor hid sorrow from mine eyes. |
| 11 | Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e? | Why died I not from the womb? why did I not give up the ghost when I came out of the belly? |
| 12 | Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako? | Why did the knees prevent me? or why the breasts that I should suck? |
| 13 | Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra, | For now should I have lain still and been quiet, I should have slept: then had I been at rest, |
| 14 | Teo amin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava, | With kings and counsellors of the earth, which built desolate places for themselves; |
| 15 | Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony; | Or with princes that had gold, who filled their houses with silver: |
| 16 | Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory. | Or as an hidden untimely birth I had not been; as infants which never saw light. |
| 17 | Any no itsaharan’ ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra; | There the wicked cease from troubling; and there the weary be at rest. |
| 18 | Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ ny mpampiasa izy. | There the prisoners rest together; they hear not the voice of the oppressor. |
| 19 | Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ ny tompony. | The small and great are there; and the servant is free from his master. |
| 20 | Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’ izay latsaka amin’ ny fangidiana? | Wherefore is light given to him that is in misery, and life unto the bitter in soul; |
| 21 | Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina: | Which long for death, but it cometh not; and dig for it more than for hid treasures; |
| 22 | Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana, | Which rejoice exceedingly, and are glad, when they can find the grave? |
| 23 | Dia olona izay mandeha ao amin’ ny maizina sady voafefin’ Andriamanitra manodidina. | Why is light given to a man whose way is hid, and whom God hath hedged in? |
| 24 | Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako; | For my sighing cometh before I eat, and my roarings are poured out like the waters. |
| 25 | Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy. | For the thing which I greatly feared is come upon me, and that which I was afraid of is come unto me. |
| 26 | Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby. | I was not in safety, neither had I rest, neither was I quiet; yet trouble came. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL