욥기 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 21절
- 1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
- 3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
- 4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
- 5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
- 6 Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ ny lalanao?
- 7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
- 8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
- 9 Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy.
- 10 Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana;
- 11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
- 12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
- 13 Tamin’ ny eritreritra avy amin’ ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
- 14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
- 15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
- 16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
- 17 Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’ olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?
- 18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
- 19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;
- 20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
- 21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗