욥기 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 26절
- 1 Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
- 2 nanao hoe:
- 3 Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
- 4 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
- 5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.
- 6 Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ ny andron’ ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ ny isan’ ny volana;
- 7 Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
- 8 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
- 9 Aoka ho maizina ny kintan’ ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ ny maraina izy,
- 10 Satria tsy nanidy ny varavaran’ ny kibon’ ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ ny masoko.
- 11 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
- 12 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
- 13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
- 14 Teo amin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,
- 15 Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
- 16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
- 17 Any no itsaharan’ ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
- 18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ ny mpampiasa izy.
- 19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ ny tompony.
- 20 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’ izay latsaka amin’ ny fangidiana?
- 21 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
- 22 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
- 23 Dia olona izay mandeha ao amin’ ny maizina sady voafefin’ Andriamanitra manodidina.
- 24 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
- 25 Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
- 26 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗