욥기 35장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 16절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: | Elihu spake moreover, and said, |
| 2 | Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’ Andriamanitra? | Thinkest thou this to be right, that thou saidst, My righteousness is more than God’s? |
| 3 | Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ ny fahotako? | For thou saidst, What advantage will it be unto thee? and, What profit shall I have, if I be cleansed from my sin? |
| 4 | Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ ny namanao. | I will answer thee, and thy companions with thee. |
| 5 | Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao. | Look unto the heavens, and see; and behold the clouds which are higher than thou. |
| 6 | Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany? | If thou sinnest, what doest thou against him? or if thy transgressions be multiplied, what doest thou unto him? |
| 7 | Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ ny tananao? | If thou be righteous, what givest thou him? or what receiveth he of thine hand? |
| 8 | Mihatra amin’ ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ ny olombelona ihany ny fahamarinanao. | Thy wickedness may hurt a man as thou art; and thy righteousness may profit the son of man. |
| 9 | Noho ny habiazan’ ny fampahoriana no itarainan’ ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ ny mahery, | By reason of the multitude of oppressions they make the oppressed to cry: they cry out by reason of the arm of the mighty. |
| 10 | Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina, | But none saith, Where is God my maker, who giveth songs in the night; |
| 11 | Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ ny biby ambonin’ ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ ny voro-manidina? | Who teacheth us more than the beasts of the earth, and maketh us wiser than the fowls of heaven? |
| 12 | Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy. | There they cry, but none giveth answer, because of the pride of evil men. |
| 13 | Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’ Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany. | Surely God will not hear vanity, neither will the Almighty regard it. |
| 14 | Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao. | Although thou sayest thou shalt not see him, yet judgment is before him; therefore trust thou in him. |
| 15 | Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana? | But now, because it is not so, he hath visited in his anger; yet he knoweth it not in great extremity: |
| 16 | Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana. | Therefore doth Job open his mouth in vain; he multiplieth words without knowledge. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL