욥기 34장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 37절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: | Furthermore Elihu answered and said, |
| 2 | Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. | Hear my words, O ye wise men; and give ear unto me, ye that have knowledge. |
| 3 | Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina. | For the ear trieth words, as the mouth tasteth meat. |
| 4 | Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika. | Let us choose to us judgment: let us know among ourselves what is good. |
| 5 | Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny; | For Job hath said, I am righteous: and God hath taken away my judgment. |
| 6 | Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho. | Should I lie against my right? my wound is incurable without transgression. |
| 7 | Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano. | What man is like Job, who drinketh up scorning like water? |
| 8 | Ary tonga naman’ ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ ny ratsy fanahy? | Which goeth in company with the workers of iniquity, and walketh with wicked men. |
| 9 | Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra. | For he hath said, It profiteth a man nothing that he should delight himself with God. |
| 10 | Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! | Therefore hearken unto me, ye men of understanding: far be it from God, that he should do wickedness; and from the Almighty, that he should commit iniquity. |
| 11 | Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy. | For the work of a man shall he render unto him, and cause every man to find according to his ways. |
| 12 | Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny. | Yea, surely God will not do wickedly, neither will the Almighty pervert judgment. |
| 13 | Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao? | Who hath given him a charge over the earth? or who hath disposed the whole world? |
| 14 | Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy, | If he set his heart upon man, if he gather unto himself his spirit and his breath; |
| 15 | Dia hiala avokoa ny ain’ ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ ny vovoka ny olona. | All flesh shall perish together, and man shall turn again unto dust. |
| 16 | Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko | If now thou hast understanding, hear this: hearken to the voice of my words. |
| 17 | Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao? | Shall even he that hateth right govern? and wilt thou condemn him that is most just? |
| 18 | (Mety va ny miteny amin’ ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ ny zanak’ andriana: Ry ilay ratsy!), | Is it fit to say to a king, Thou art wicked? and to princes, Ye are ungodly? |
| 19 | Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ ny tànany avokoa izy rehetra. | How much less to him that accepteth not the persons of princes, nor regardeth the rich more than the poor? for they all are the work of his hands. |
| 20 | Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana. | In a moment shall they die, and the people shall be troubled at midnight, and pass away: and the mighty shall be taken away without hand. |
| 21 | Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy. | For his eyes are upon the ways of man, and he seeth all his goings. |
| 22 | Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy. | There is no darkness, nor shadow of death, where the workers of iniquity may hide themselves. |
| 23 | Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany. | For he will not lay upon man more than right; that he should enter into judgment with God. |
| 24 | Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy. | He shall break in pieces mighty men without number, and set others in their stead. |
| 25 | Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy. | Therefore he knoweth their works, and he overturneth them in the night, so that they are destroyed. |
| 26 | Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka. | He striketh them as wicked men in the open sight of others; |
| 27 | Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory, | Because they turned back from him, and would not consider any of his ways: |
| 28 | Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ ny ory. | So that they cause the cry of the poor to come unto him, and he heareth the cry of the afflicted. |
| 29 | Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay, | When he giveth quietness, who then can make trouble? and when he hideth his face, who then can behold him? whether it be done against a nation, or against a man only: |
| 30 | Mba tsy hanjakan’ ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka. | That the hypocrite reign not, lest the people be ensnared. |
| 31 | Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony; | Surely it is meet to be said unto God, I have borne chastisement, I will not offend any more: |
| 32 | Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony? | That which I see not teach thou me: if I have done iniquity, I will do no more. |
| 33 | Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao. | Should it be according to thy mind? he will recompense it, whether thou refuse, or whether thou choose; and not I: therefore speak what thou knowest. |
| 34 | Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe: | Let men of understanding tell me, and let a wise man hearken unto me. |
| 35 | Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena. | Job hath spoken without knowledge, and his words were without wisdom. |
| 36 | Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ ny ratsy fanahy! | My desire is that Job may be tried unto the end because of his answers for wicked men. |
| 37 | Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’ Andriamanitra. | For he addeth rebellion unto his sin, he clappeth his hands among us, and multiplieth his words against God. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL