욥기 33장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. | Wherefore, Job, I pray thee, hear my speeches, and hearken to all my words. |
| 2 | Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako. | Behold, now I have opened my mouth, my tongue hath spoken in my mouth. |
| 3 | Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. | My words shall be of the uprightness of my heart: and my lips shall utter knowledge clearly. |
| 4 | Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy. | The Spirit of God hath made me, and the breath of the Almighty hath given me life. |
| 5 | Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara. | If thou canst answer me, set thy words in order before me, stand up. |
| 6 | Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga. | Behold, I am according to thy wish in God’s stead: I also am formed out of the clay. |
| 7 | Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao. | Behold, my terror shall not make thee afraid, neither shall my hand be heavy upon thee. |
| 8 | Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe: | Surely thou hast spoken in mine hearing, and I have heard the voice of thy words, saying, |
| 9 | Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka; | I am clean without transgression, I am innocent; neither is there iniquity in me. |
| 10 | He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho; | Behold, he findeth occasions against me, he counteth me for his enemy, |
| 11 | Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra. | He putteth my feet in the stocks, he marketh all my paths. |
| 12 | He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona. | Behold, in this thou art not just: I will answer thee, that God is greater than man. |
| 13 | Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony? | Why dost thou strive against him? for he giveth not account of any of his matters. |
| 14 | Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany, | For God speaketh once, yea twice, yet man perceiveth it not. |
| 15 | Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, | In a dream, in a vision of the night, when deep sleep falleth upon men, in slumberings upon the bed; |
| 16 | Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy, | Then he openeth the ears of men, and sealeth their instruction, |
| 17 | Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana. | That he may withdraw man from his purpose, and hide pride from man. |
| 18 | Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana. | He keepeth back his soul from the pit, and his life from perishing by the sword. |
| 19 | Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava; | He is chastened also with pain upon his bed, and the multitude of his bones with strong pain: |
| 20 | Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny. | So that his life abhorreth bread, and his soul dainty meat. |
| 21 | Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo; | His flesh is consumed away, that it cannot be seen; and his bones that were not seen stick out. |
| 22 | Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina. | Yea, his soul draweth near unto the grave, and his life to the destroyers. |
| 23 | Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona, | If there be a messenger with him, an interpreter, one among a thousand, to shew unto man his uprightness: |
| 24 | Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, | Then he is gracious unto him, and saith, Deliver him from going down to the pit: I have found a ransom. |
| 25 | Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy; | His flesh shall be fresher than a child’s: he shall return to the days of his youth: |
| 26 | Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany. | He shall pray unto God, and he will be favourable unto him: and he shall see his face with joy: for he will render unto man his righteousness. |
| 27 | Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko; | He looketh upon men, and if any say, I have sinned, and perverted that which was right, and it profited me not; |
| 28 | Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava. | He will deliver his soul from going into the pit, and his life shall see the light. |
| 29 | Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza, | Lo, all these things worketh God oftentimes with man, |
| 30 | Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina. | To bring back his soul from the pit, to be enlightened with the light of the living. |
| 31 | Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny. | Mark well, O Job, hearken unto me: hold thy peace, and I will speak. |
| 32 | Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho; | If thou hast any thing to say, answer me: speak, for I desire to justify thee. |
| 33 | Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao. | If not, hearken unto me: hold thy peace, and I shall teach thee wisdom. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL