욥기 34장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 37절
- 1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
- 3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.
- 4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
- 5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny;
- 6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
- 7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano.
- 8 Ary tonga naman’ ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ ny ratsy fanahy?
- 9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra.
- 10 Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
- 11 Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
- 12 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
- 13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
- 14 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
- 15 Dia hiala avokoa ny ain’ ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ ny vovoka ny olona.
- 16 Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
- 17 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
- 18 (Mety va ny miteny amin’ ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ ny zanak’ andriana: Ry ilay ratsy!),
- 19 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ ny tànany avokoa izy rehetra.
- 20 Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
- 21 Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
- 22 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.
- 23 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
- 24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
- 25 Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy.
- 26 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka.
- 27 Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
- 28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ ny ory.
- 29 Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
- 30 Mba tsy hanjakan’ ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
- 31 Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
- 32 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
- 33 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.
- 34 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
- 35 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
- 36 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ ny ratsy fanahy!
- 37 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’ Andriamanitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗