욥기 33장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 33절
- 1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
- 2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
- 3 Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
- 4 Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.
- 5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
- 6 Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.
- 7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
- 8 Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe:
- 9 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
- 10 He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
- 11 Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
- 12 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona.
- 13 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
- 14 Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany,
- 15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
- 16 Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
- 17 Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
- 18 Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
- 19 Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava;
- 20 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny.
- 21 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
- 22 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
- 23 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,
- 24 Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
- 25 Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy;
- 26 Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany.
- 27 Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
- 28 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava.
- 29 Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza,
- 30 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
- 31 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
- 32 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
- 33 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗