욥기 32장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba. | So these three men ceased to answer Job, because he was righteous in his own eyes. |
| 2 | Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’ i Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, avy amin’ ny fokon’ i Rama; eny, tamin’ i Joba no nirehetan’ ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy. | Then was kindled the wrath of Elihu the son of Barachel the Buzite, of the kindred of Ram: against Job was his wrath kindled, because he justified himself rather than God. |
| 3 | Ary tamin’ ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’ i Joba. | Also against his three friends was his wrath kindled, because they had found no answer, and yet had condemned Job. |
| 4 | Ary Eliho mbola niandry an-dr’ i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy. | Now Elihu had waited till Job had spoken, because they were elder than he. |
| 5 | Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany; | When Elihu saw that there was no answer in the mouth of these three men, then his wrath was kindled. |
| 6 | ka dia niteny Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro. | And Elihu the son of Barachel the Buzite answered and said, I am young, and ye are very old; wherefore I was afraid, and durst not shew you mine opinion. |
| 7 | Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ ny taona no hampianatra fahendrena. | I said, Days should speak, and multitude of years should teach wisdom. |
| 8 | Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy. | But there is a spirit in man: and the inspiration of the Almighty giveth them understanding. |
| 9 | Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny; | Great men are not always wise: neither do the aged understand judgment. |
| 10 | Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro. | Therefore I said, Hearken to me; I also will shew mine opinion. |
| 11 | Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina; | Behold, I waited for your words; I gave ear to your reasons, whilst ye searched out what to say. |
| 12 | Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’ i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory; | Yea, I attended unto you, and, behold, there was none of you that convinced Job, or that answered his words: |
| 13 | Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona. | Lest ye should say, We have found out wisdom: God thrusteth him down, not man. |
| 14 | Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy. | Now he hath not directed his words against me: neither will I answer him with your speeches. |
| 15 | Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny. | They were amazed, they answered no more: they left off speaking. |
| 16 | Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony? | When I had waited, (for they spake not, but stood still, and answered no more;) |
| 17 | Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro; | I said, I will answer also my part, I also will shew mine opinion. |
| 18 | Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko. | For I am full of matter, the spirit within me constraineth me. |
| 19 | Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy. | Behold, my belly is as wine which hath no vent; it is ready to burst like new bottles. |
| 20 | Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly. | I will speak, that I may be refreshed: I will open my lips and answer. |
| 21 | Aoka tsy hizaha tavan’ olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona. | Let me not, I pray you, accept any man’s person, neither let me give flattering titles unto man. |
| 22 | Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ ny Mpanao ahy faingana aho. | For I know not to give flattering titles; in so doing my maker would soon take me away. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL