욥기 31장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 40절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? | I made a covenant with mine eyes; why then should I think upon a maid? |
| 2 | Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’ Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ ny Tsitoha any amin’ ny avo? | For what portion of God is there from above? and what inheritance of the Almighty from on high? |
| 3 | Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy? | Is not destruction to the wicked? and a strange punishment to the workers of iniquity? |
| 4 | Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? | Doth not he see my ways, and count all my steps? |
| 5 | Raha tàhiny nandeha tamin’ ny fitaka aho na niezaka tamin’ ny fahafetsena. | If I have walked with vanity, or if my foot hath hasted to deceit; |
| 6 | (Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny); | Let me be weighed in an even balance, that God may know mine integrity. |
| 7 | Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako: | If my step hath turned out of the way, and mine heart walked after mine eyes, and if any blot hath cleaved to mine hands; |
| 8 | Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko. | Then let me sow, and let another eat; yea, let my offspring be rooted out. |
| 9 | Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho, | If mine heart have been deceived by a woman, or if I have laid wait at my neighbour’s door; |
| 10 | Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy. | Then let my wife grind unto another, and let others bow down upon her. |
| 11 | Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara; | For this is an heinous crime; yea, it is an iniquity to be punished by the judges. |
| 12 | Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra. | For it is a fire that consumeth to destruction, and would root out all mine increase. |
| 13 | Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy, | If I did despise the cause of my manservant or of my maidservant, when they contended with me; |
| 14 | Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy? | What then shall I do when God riseth up? and when he visiteth, what shall I answer him? |
| 15 | Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka? | Did not he that made me in the womb make him? and did not one fashion us in the womb? |
| 16 | Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena, | If I have withheld the poor from their desire, or have caused the eyes of the widow to fail; |
| 17 | Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ ny kamboty | Or have eaten my morsel myself alone, and the fatherless hath not eaten thereof; |
| 18 | (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho); | (For from my youth he was brought up with me, as with a father, and I have guided her from my mother’s womb;) |
| 19 | Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy, | If I have seen any perish for want of clothing, or any poor without covering; |
| 20 | Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon’ ondriko; | If his loins have not blessed me, and if he were not warmed with the fleece of my sheep; |
| 21 | Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady: | If I have lifted up my hand against the fatherless, when I saw my help in the gate: |
| 22 | Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ ny taolam-panaviko. | Then let mine arm fall from my shoulder blade, and mine arm be broken from the bone. |
| 23 | Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’ Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany. | For destruction from God was a terror to me, and by reason of his highness I could not endure. |
| 24 | Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô; | If I have made gold my hope, or have said to the fine gold, Thou art my confidence; |
| 25 | Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ ny fananako sy noho ny nahazoan’ ny tanako harena betsaka; | If I rejoiced because my wealth was great, and because mine hand had gotten much; |
| 26 | Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy, | If I beheld the sun when it shined, or the moon walking in brightness; |
| 27 | Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako | And my heart hath been secretly enticed, or my mouth hath kissed my hand: |
| 28 | (Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho); | This also were an iniquity to be punished by the judge: for I should have denied the God that is above. |
| 29 | Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy | If I rejoiced at the destruction of him that hated me, or lifted up myself when evil found him: |
| 30 | (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy); | Neither have I suffered my mouth to sin by wishing a curse to his soul. |
| 31 | Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany? | If the men of my tabernacle said not, Oh that we had of his flesh! we cannot be satisfied. |
| 32 | Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana; | The stranger did not lodge in the street: but I opened my doors to the traveller. |
| 33 | Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’ i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako, | If I covered my transgressions as Adam, by hiding mine iniquity in my bosom: |
| 34 | Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ ny fokon’ olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana | Did I fear a great multitude, or did the contempt of families terrify me, that I kept silence, and went not out of the door? |
| 35 | Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ ilay manana ady amiko! | Oh that one would hear me! behold, my desire is, that the Almighty would answer me, and that mine adversary had written a book. |
| 36 | Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra. | Surely I would take it upon my shoulder, and bind it as a crown to me. |
| 37 | Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy. | I would declare unto him the number of my steps; as a prince would I go near unto him. |
| 38 | Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako; | If my land cry against me, or that the furrows likewise thereof complain; |
| 39 | Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain’ ny tompony: | If I have eaten the fruits thereof without money, or have caused the owners thereof to lose their life: |
| 40 | Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’ i Joba. | Let thistles grow instead of wheat, and cockle instead of barley. The words of Job are ended. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL