욥기 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza. | But now they that are younger than I have me in derision, whose fathers I would have disdained to have set with the dogs of my flock. |
| 2 | Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana? | Yea, whereto might the strength of their hands profit me, in whom old age was perished? |
| 3 | Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana. | For want and famine they were solitary; fleeing into the wilderness in former time desolate and waste. |
| 4 | Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany. | Who cut up mallows by the bushes, and juniper roots for their meat. |
| 5 | Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra. | They were driven forth from among men, (they cried after them as after a thief;) |
| 6 | Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato. | To dwell in the clifts of the valleys, in caves of the earth, and in the rocks. |
| 7 | Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana. | Among the bushes they brayed; under the nettles they were gathered together. |
| 8 | Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany. | They were children of fools, yea, children of base men: they were viler than the earth. |
| 9 | Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho. | And now am I their song, yea, I am their byword. |
| 10 | Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy. | They abhor me, they flee far from me, and spare not to spit in my face. |
| 11 | Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny. | Because he hath loosed my cord, and afflicted me, they have also let loose the bridle before me. |
| 12 | Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko. | Upon my right hand rise the youth; they push away my feet, and they raise up against me the ways of their destruction. |
| 13 | Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy, | They mar my path, they set forward my calamity, they have no helper. |
| 14 | Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany. | They came upon me as a wide breaking in of waters: in the desolation they rolled themselves upon me. |
| 15 | Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy | Terrors are turned upon me: they pursue my soul as the wind: and my welfare passeth away as a cloud. |
| 16 | Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ ny andro fahoriana aho. | And now my soul is poured out upon me; the days of affliction have taken hold upon me. |
| 17 | Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo. | My bones are pierced in me in the night season: and my sinews take no rest. |
| 18 | Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany. | By the great force of my disease is my garment changed: it bindeth me about as the collar of my coat. |
| 19 | Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho | He hath cast me into the mire, and I am become like dust and ashes. |
| 20 | Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana. | I cry unto thee, and thou dost not hear me: I stand up, and thou regardest me not. |
| 21 | Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy. | Thou art become cruel to me: with thy strong hand thou opposest thyself against me. |
| 22 | Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho. | Thou liftest me up to the wind; thou causest me to ride upon it, and dissolvest my substance. |
| 23 | Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra. | For I know that thou wilt bring me to death, and to the house appointed for all living. |
| 24 | Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? | Howbeit he will not stretch out his hand to the grave, though they cry in his destruction. |
| 25 | Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko? | Did not I weep for him that was in trouble? was not my soul grieved for the poor? |
| 26 | Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina. | When I looked for good, then evil came unto me: and when I waited for light, there came darkness. |
| 27 | Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana. | My bowels boiled, and rested not: the days of affliction prevented me. |
| 28 | Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona. | I went mourning without the sun: I stood up, and I cried in the congregation. |
| 29 | Rahalahin’ ny amboadia aho Ary naman’ ny ostritsa. | I am a brother to dragons, and a companion to owls. |
| 30 | Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako. | My skin is black upon me, and my bones are burned with heat. |
| 31 | Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko. | My harp also is turned to mourning, and my organ into the voice of them that weep. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL