욥기 29장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: | Moreover Job continued his parable, and said, |
| 2 | Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy! | Oh that I were as in months past, as in the days when God preserved me; |
| 3 | Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina; | When his candle shined upon my head, and when by his light I walked through darkness; |
| 4 | Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra; | As I was in the days of my youth, when the secret of God was upon my tabernacle; |
| 5 | Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako; | When the Almighty was yet with me, when my children were about me; |
| 6 | Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko; | When I washed my steps with butter, and the rock poured me out rivers of oil; |
| 7 | Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana, | When I went out to the gate through the city, when I prepared my seat in the street! |
| 8 | Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro; | The young men saw me, and hid themselves: and the aged arose, and stood up. |
| 9 | Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava; | The princes refrained talking, and laid their hand on their mouth. |
| 10 | Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny. | The nobles held their peace, and their tongue cleaved to the roof of their mouth. |
| 11 | Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy, | When the ear heard me, then it blessed me; and when the eye saw me, it gave witness to me: |
| 12 | Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy. | Because I delivered the poor that cried, and the fatherless, and him that had none to help him. |
| 13 | Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko. | The blessing of him that was ready to perish came upon me: and I caused the widow’s heart to sing for joy. |
| 14 | Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako. | I put on righteousness, and it clothed me: my judgment was as a robe and a diadem. |
| 15 | Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa. | I was eyes to the blind, and feet was I to the lame. |
| 16 | Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko. | I was a father to the poor: and the cause which I knew not I searched out. |
| 17 | Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany | And I brake the jaws of the wicked, and plucked the spoil out of his teeth. |
| 18 | Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho. | Then I said, I shall die in my nest, and I shall multiply my days as the sand. |
| 19 | Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina. | My root was spread out by the waters, and the dew lay all night upon my branch. |
| 20 | Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako. | My glory was fresh in me, and my bow was renewed in my hand. |
| 21 | Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy. | Unto me men gave ear, and waited, and kept silence at my counsel. |
| 22 | Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy. | After my words they spake not again; and my speech dropped upon them. |
| 23 | Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana. | And they waited for me as for the rain; and they opened their mouth wide as for the latter rain. |
| 24 | Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo. | If I laughed on them, they believed it not; and the light of my countenance they cast not down. |
| 25 | Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho. | I chose out their way, and sat chief, and dwelt as a king in the army, as one that comforteth the mourners. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL