욥기 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 31절
- 1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
- 2 Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana?
- 3 Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
- 4 Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany.
- 5 Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
- 6 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
- 7 Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana.
- 8 Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany.
- 9 Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
- 10 Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
- 11 Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
- 12 Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
- 13 Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
- 14 Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany.
- 15 Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
- 16 Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ ny andro fahoriana aho.
- 17 Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
- 18 Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
- 19 Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
- 20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
- 21 Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy.
- 22 Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
- 23 Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.
- 24 Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?
- 25 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
- 26 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
- 27 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
- 28 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona.
- 29 Rahalahin’ ny amboadia aho Ary naman’ ny ostritsa.
- 30 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.
- 31 Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗