욥기 29장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 25절
- 1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
- 2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
- 3 Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;
- 4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
- 5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
- 6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
- 7 Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
- 8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
- 9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
- 10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.
- 11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
- 12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
- 13 Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.
- 14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
- 15 Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
- 16 Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
- 17 Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
- 18 Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
- 19 Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.
- 20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
- 21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
- 22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
- 23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
- 24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
- 25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗