욥기 28장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina. | Surely there is a vein for the silver, and a place for gold where they fine it. |
| 2 | Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato. | Iron is taken out of the earth, and brass is molten out of the stone. |
| 3 | Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana; | He setteth an end to darkness, and searcheth out all perfection: the stones of darkness, and the shadow of death. |
| 4 | Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy. | The flood breaketh out from the inhabitant; even the waters forgotten of the foot: they are dried up, they are gone away from men. |
| 5 | Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo. | As for the earth, out of it cometh bread: and under it is turned up as it were fire. |
| 6 | Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy | The stones of it are the place of sapphires: and it hath dust of gold. |
| 7 | Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery, | There is a path which no fowl knoweth, and which the vulture’s eye hath not seen: |
| 8 | Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka. | The lion’s whelps have not trodden it, nor the fierce lion passed by it. |
| 9 | Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony; | He putteth forth his hand upon the rock; he overturneth the mountains by the roots. |
| 10 | Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa. | He cutteth out rivers among the rocks; and his eye seeth every precious thing. |
| 11 | Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava. | He bindeth the floods from overflowing; and the thing that is hid bringeth he forth to light. |
| 12 | Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana? | But where shall wisdom be found? and where is the place of understanding? |
| 13 | Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy. | Man knoweth not the price thereof; neither is it found in the land of the living. |
| 14 | Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina. | The depth saith, It is not in me: and the sea saith, It is not with me. |
| 15 | Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny; | It cannot be gotten for gold, neither shall silver be weighed for the price thereof. |
| 16 | Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza. | It cannot be valued with the gold of Ophir, with the precious onyx, or the sapphire. |
| 17 | Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy. | The gold and the crystal cannot equal it: and the exchange of it shall not be for jewels of fine gold. |
| 18 | Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy. | No mention shall be made of coral, or of pearls: for the price of wisdom is above rubies. |
| 19 | Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara | The topaz of Ethiopia shall not equal it, neither shall it be valued with pure gold. |
| 20 | Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana? | Whence then cometh wisdom? and where is the place of understanding? |
| 21 | Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina. | Seeing it is hid from the eyes of all living, and kept close from the fowls of the air. |
| 22 | Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy. | Destruction and death say, We have heard the fame thereof with our ears. |
| 23 | Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany; | God understandeth the way thereof, and he knoweth the place thereof. |
| 24 | Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao, | For he looketh to the ends of the earth, and seeth under the whole heaven; |
| 25 | Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana. | To make the weight for the winds; and he weigheth the waters by measure. |
| 26 | Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana, | When he made a decree for the rain, and a way for the lightning of the thunder: |
| 27 | Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy; | Then did he see it, and declare it; he prepared it, yea, and searched it out. |
| 28 | Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana. | And unto man he said, Behold, the fear of the Lord, that is wisdom; and to depart from evil is understanding. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL