욥기 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 23절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: | Moreover Job continued his parable, and said, |
| 2 | Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko. | As God liveth, who hath taken away my judgment; and the Almighty, who hath vexed my soul; |
| 3 | Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’ Andriamanitra. | All the while my breath is in me, and the spirit of God is in my nostrils; |
| 4 | Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako. | My lips shall not speak wickedness, nor my tongue utter deceit. |
| 5 | Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho. | God forbid that I should justify you: till I die I will not remove mine integrity from me. |
| 6 | Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ ny androko iray monja aza. | My righteousness I hold fast, and will not let it go: my heart shall not reproach me so long as I live. |
| 7 | Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy. | Let mine enemy be as the wicked, and he that riseth up against me as the unrighteous. |
| 8 | Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny? | For what is the hope of the hypocrite, though he hath gained, when God taketh away his soul? |
| 9 | Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy? | Will God hear his cry when trouble cometh upon him? |
| 10 | Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’ Andriamanitra mandrakariva va izy? | Will he delight himself in the Almighty? will he always call upon God? |
| 11 | Hampianatra anareo ny amin’ ny tànan’ Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ ny hevitry ny Tsitoha. | I will teach you by the hand of God: that which is with the Almighty will I not conceal. |
| 12 | Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana? | Behold, all ye yourselves have seen it; why then are ye thus altogether vain? |
| 13 | Izao no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lovan’ ny lozabe raisiny avy amin’ ny Tsitoha: | This is the portion of a wicked man with God, and the heritage of oppressors, which they shall receive of the Almighty. |
| 14 | Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina; | If his children be multiplied, it is for the sword: and his offspring shall not be satisfied with bread. |
| 15 | Ny ankohonany sisa dia hasitrik’ Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany; | Those that remain of him shall be buried in death: and his widows shall not weep. |
| 16 | Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka, | Though he heap up silver as the dust, and prepare raiment as the clay; |
| 17 | Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy; | He may prepare it, but the just shall put it on, and the innocent shall divide the silver. |
| 18 | Manao ny tranony tahaka ny an’ ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ ny mpiandry voly; | He buildeth his house as a moth, and as a booth that the keeper maketh. |
| 19 | Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny. | The rich man shall lie down, but he shall not be gathered: he openeth his eyes, and he is not. |
| 20 | Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ ny tafio-drivotra izy; | Terrors take hold on him as waters, a tempest stealeth him away in the night. |
| 21 | Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany; | The east wind carrieth him away, and he departeth: and as a storm hurleth him out of his place. |
| 22 | Asian’ Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ ny tànany izy; | For God shall cast upon him, and not spare: he would fain flee out of his hand. |
| 23 | Tehafin’ ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ ny fonenany. | Men shall clap their hands at him, and shall hiss him out of his place. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL