욥기 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Nahoana no tsy misy fotoan’ andro voatendrin’ ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ ny mahalala Azy izany androny Izany? | Why, seeing times are not hidden from the Almighty, do they that know him not see his days? |
| 2 | Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy. | Some remove the landmarks; they violently take away flocks, and feed thereof. |
| 3 | Mandroaka ny borikin’ ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ ny mpitondratena ho tsatòka. | They drive away the ass of the fatherless, they take the widow’s ox for a pledge. |
| 4 | Manosika ny mahantra hiala amin’ ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ ny tany. | They turn the needy out of the way: the poor of the earth hide themselves together. |
| 5 | Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ ireny ho amin’ ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ ny zanany. | Behold, as wild asses in the desert, go they forth to their work; rising betimes for a prey: the wilderness yieldeth food for them and for their children. |
| 6 | Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy. | They reap every one his corn in the field: and they gather the vintage of the wicked. |
| 7 | Mandry mitanjaka amin’ ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ ny hatsiaka; | They cause the naked to lodge without clothing, that they have no covering in the cold. |
| 8 | Kotsan’ ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana. | They are wet with the showers of the mountains, and embrace the rock for want of a shelter. |
| 9 | Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin’ ny ory. | They pluck the fatherless from the breast, and take a pledge of the poor. |
| 10 | Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary. | They cause him to go naked without clothing, and they take away the sheaf from the hungry; |
| 11 | Manao diloilo eo anatin’ ny tambohon’ ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany. | Which make oil within their walls, and tread their winepresses, and suffer thirst. |
| 12 | Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ ny voalefona; Nefa tsy ahoan’ Andriamanitra akory ny ratsy atao. | Men groan from out of the city, and the soul of the wounded crieth out: yet God layeth not folly to them. |
| 13 | Ireny no mpikomy amin’ ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ ny alehany. | They are of those that rebel against the light; they know not the ways thereof, nor abide in the paths thereof. |
| 14 | Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra. | The murderer rising with the light killeth the poor and needy, and in the night is as a thief. |
| 15 | Ny mason’ ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy. | The eye also of the adulterer waiteth for the twilight, saying, No eye shall see me: and disguiseth his face. |
| 16 | Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy; | In the dark they dig through houses, which they had marked for themselves in the daytime: they know not the light. |
| 17 | Fa ny aizim-pito no marainan’ ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ ny aizim-pito izy. | For the morning is to them even as the shadow of death: if one know them, they are in the terrors of the shadow of death. |
| 18 | Mitsinkafona paohin’ ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ ny tany; Tsy mivily ho amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tanim-boaloboka izy. | He is swift as the waters; their portion is cursed in the earth: he beholdeth not the way of the vineyards. |
| 19 | Toy ny andevonan’ ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ ny fiainan-tsi-hita ny mpanota. | Drought and heat consume the snow waters: so doth the grave those which have sinned. |
| 20 | Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy, | The womb shall forget him; the worm shall feed sweetly on him; he shall be no more remembered; and wickedness shall be broken as a tree. |
| 21 | Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena. | He evil entreateth the barren that beareth not: and doeth not good to the widow. |
| 22 | Kanefa halavain’ Andriamanitra amin’ ny heriny ny andron’ ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza. | He draweth also the mighty with his power: he riseth up, and no man is sure of life. |
| 23 | Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany. | Though it be given him to be in safety, whereon he resteth; yet his eyes are upon their ways. |
| 24 | Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary. | They are exalted for a little while, but are gone and brought low; they are taken out of the way as all other, and cut off as the tops of the ears of corn. |
| 25 | Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona. | And if it be not so now, who will make me a liar, and make my speech nothing worth? |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL